Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Somary nandrasana tapaky ny volana : ahitana sondro-bidy vaovao indray ny solika

Somary nandrasana tapaky ny volana  : ahitana sondro-bidy vaovao indray ny solika

Ahitana sondro-bidy vaovao indray ny solika amin’izao tapaky ny volana jona izao. Tamin’ity taona 2018 ity, ny volana janoary sy febroary ihany no tsy nisondrotra ny solika. Nanomboka teo amin’ny volana marsa hatramin’izao jona 2018 izao, ahitana fisondrotana isam-bolana ity akora fototra iray lehibe miantoka ny toekarena ity.

Ny maha samy hafa azy, somary amin’izao tapaky ny volana jona izao vao nasondrotra ny vidiny, 4.050 Ar ny lasantsy ; 3.400 Ar ny gazoala ; 2.480 Ar ny solika fandrehitra. Karazany ho niandrasana milamindamina ihany ny raharaha politika vao izao nampiharina izao ny vidiny vaovao. Atao hoe 50 Ar ihany ny fiakaran’ny vidin-tsolika, mety azo lazaina ho kely izany, saingy raha natambatra ny fiakarana hatramin’ity taona ity, efa nisy 120 Ar eo amin’ny lasantsy sy ny gazoala be mpampiasa. Raha jerena ny herintaona lasa, 2017 volana jona, 3.870 Ar ny lasantsy ; 3.300 Ar ny gazoala ; 2.370 Ar ny solika fandrehitra. Izany hoe, niakatra 180 Ar ny lasantsy, 100 Ar ny gazoala ary 110 Ar ny solika fandrehitra.

Naverimberin’ny ao amin’ny OMH matetika fa miankina amin’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy ny sandam-bola ariary ny mitondra ny vidin-tsolika eto an-toerana. Na izany aza, nilaza ny talen’ny jeneralin’ny OMH, Rajaonarivelo Laurent, fa “tokony hisy tokoa ny fijerena manokana ho an’ny mpitatitra. Tsy maintsy mbola hifampidinihana anefa izany…” Nanamarika ny ao amin’ny OMH fa tsy misy ahina ny tahirin-tsolika. Ho tonga amin’izao tapaky ny volana jona izao any Toamasina ny famatsiana manaraka.

Misy ihany anefa ny olana any amin’ny faritra sasany noho ny fitaterana, toy ny nitranga any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Tsy ampy ny famatsiana ka raha vao tonga ifadrombahana tahirizin’ny sasany any an-tranony, mahatonga ny varo-maizina, ka niteraka ireny haintrano tany Mananjary ireny. Mila mailo ihany.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.