Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mondial 2018 – Sokajy «C» : hampiasa ny 4-3-3 ny Frantsay manoloana an’i Aostralia

Mondial 2018 – Sokajy «C»  : hampiasa ny 4-3-3 ny Frantsay manoloana an’i Aostralia

Hiditra an-tsehatra ny ekipa frantsay, anio, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2018”. Hifanandrina amin’i Aostralia ry zalahy. Tsy mitombina ny sain’i Didier Deschamps ka nanova ny firafitry ny ekipa sy ny taktika hoentina milalao.

Anisan’ny ekipa be mpanaraka indrindra koa amin’ity fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2018”, hatao any Rosia, ity ny ekipa frantsay, izay milalao ao amin’ny vondrona “C”. Hiditra an-tsehatra izy ireo, anio, ka hifandona amin’i Aostralia. Taorian’ireo lalao fitsapana telo, natrehin’ny Frantsay, nikatrohana tamin’i Irlande, i Italia ary i Etazonia, resy lahatra i Didier Deschamps, mpanazatra fa handahatra ary hampiditra ao anaty lisitry ny 11 voalohany an’i Pavard, i Hernandez, i Tolisso ary i Dembelé.

Nanova ny taktika hoentiny miatrika ny Aostralianina ihany koa ingahy Didier Deschamps ka tsy hampiasa ny 4-4-2 mahazatra azy ireo intsony fa hiverina amin’ny 4-3-3. Araka izany, hanamafy ny fanafihana izany ny Frantsay ka haka ny toeran’i Olivier Giroud i Dembélé. Nambarany fa teknisianina kokoa i Dembélé, izay tsara miaraka amin’ireo mpanafika mirahalahy, i Griezmann sy i Kylian Mbappé.

Na izany aza, mbola mametraka olana ho an’i Deschamps ny eo amin’ny fiarovantena afovoany, misy an’i Umtiti sy i Varane, ary ny eo amin’ny fiandrasana ny tsatoby, ambenan’i Hugo Lloris, izay tsy nahafa-po loatra ny baolina nataony, teo amin’ny famaranana ny taom-pilalaovana.

Etsy ankilany, tao anaty fahasahiranana ihany koa ny nanomanan’ny Aostralianina ity “Mondial 2018” ity, noho ny fialan’ny mpanazatrany, dimy volana mialoha izao fihaonana izao. Nandray an-tanana ny ekipa ilay Nerlandey, i Bert Van Marvijk. Tsotra ny paikadiny, ny 4-2-3-1 na ilay antsoiny hoe : “béton armé”. Fiarovantena mafonjy, tanjaka ara-batana ary valim-panafihana haingana.

Ankoatra ity fihaonana ity, hifandona,  ihany koa i Pérou sy i Danemark, eo amin’ny vondrona “C” ihany.

Hiditra an-tsehatra kosa ny ekipa afrikanina fahatelo, milalao ao amin’ny sokajy “D”, ka hihaona ny Voromaherin’i Nizeria sy i Kroasia ary i Arzantina, hifanazava amin’i Islande.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.