
Niditra, tamin’ny andro faharoa, omaly ny sokajy “A”, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2018”, taranja baolina kitra. Lalao nandrasan’ny rehetra, ny fikatrohan’ny Faraona-n’i Egypta sy i Orogoay. Fihaonana, notanterahina tao amin’ny kianja Ekaterinburg, Arena.
Nivoaka sempotra tanteraka, ny orogoaianina, vao tafavoaka ho mpandresy, tamin’ity fihaonana, ity. Efa tany amin’ny minitra faha-89 vao nahatafiditra ny baolina tokana, nahazoany ny fandresena ry zalahy. Baolina matin’i Gimenez, tamin’ny lohany, taorian’ny “coup franc”, nodakan’i Cavani.
Nanantombo, teo amin’ny fanafihana sy ny baolina tokony ho tafiditra ny Orogoaianina, tamin’ny ankapobeny. Tsy nanao afa-tsy niaro tena sy niantehitra tamin’ny valim-panafihana fotsiny kosa ny Egyptianina, izay tsy dia natahorana loatra. Hita ny fahabangan’i Salah, teo amin’ny fanafihana, ho an’i Egypta.
Tsy tena hita soritra kosa tetsy an-kilany, ny fahaizan’i Suarez, ho an’i Orogoay. Nahazo isa 3, i Orogoay, taorian’ity fihaonana ity. Hifandona amin’i Arabia Saodita izy ireo, ny alarobia ho avy izao ary i Egypta kosa hifanandrina amin’i Rosia.
Teo amin’ny lalao iray ho an’ny sokajy B kosa, resin’ Iran tamin’ny isa 1 no ho O i Maraoka. Namono tena nampiditra ny baolina tany anaty haratony ny vodilaharana maraokanina.
Tompondaka
Les commentaires sont fermées.