Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Fetin’ny mozika » : hahazo laka ny hira nentin-drazana

« Fetin’ny mozika »  : hahazo laka ny hira nentin-drazana

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny « Fetin’ny mozika », hanatanteraka fampirantiana sy velakevitra arahina fampisehoana ny fikambanana Mamohaela. Hiavaka amin’ny nahazatra hatramin’izay izy ity satria homena laka ny hira sy ny mozika nentim-paharazana. Hetsika hotanterahina ao amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, ny 21 jona sy ny 22 jona izao.

Ny alakamisy 21 jona, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, fampirantiana an-tsary momba ireo mozika sy hira nentim-paharazana mampiavaka ny isam-paritra. Anisan’ny misongadina eto ankibon’Imerina, ohatra,   ny fahitana ny valiha vita amin’ny volo hanaovana ny kalo. Ny any amin’ny faritra afovoany atsimon’i Madagasikara, ny jejy voatavo sy ny horija, sns.
Ny zoma 22 jona, amin’ny 2 ora, famelabelaran-kevitra sy fampisehoana mifandraika amin’ny lohahevitra « Hira sy mozika nentim-paharazana ».

Anisan’ny vaindohan-draharaha sahanin’ny fikambanana Mamohaela ny fitahirizana sy fampahafantarana ny vakoka sy ny tahiry ary ny tantara nisy teto Madagasikara. Hotanterahina eny Ambohimanga, ny 23 jona ny fivoriambe faharoa ho an’ity fikambanana ity.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.