Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faritra Anosy sy Androy : tsy manaraka fepetra ara-dalàna ny fiompiana

Faritra Anosy sy Androy  : tsy manaraka fepetra ara-dalàna ny fiompiana

Marary ny fiompiana ankapobeny any amin’ny faritra atsimo, indrindra ny any amin’ny faritra Anosy sy Androy. Nanamarika ny mpitsabo biby miasa any amin’ireo faritra iny fa karazana fahazarana fotsiny sisa ny fiompiana omby, osy, ary ondry. Tsy betsaka loatra ny mpiompy kisoa any an-toerana. Vitsy na tsy misy ny manaraka ny fepetra tokony hatao, manomboka amin’ny fanomezana sakafo sy ny fisorohana ny aretina samihafa. Ny antony, sahirana amin’ny fivelomany ireo olona ka na  fanafody kely aza, na vaksiny ho fisorohana ny aretina, tsy voavidin’ireo mpiompy ireo.

Noho izay tsy fahalavorarian’ny fiompiana izay, betsaka ireo biby matimaty fahatany, lasa miteraka fatiantoka ho an’ireo mpiompy. Ankoatra izany ny tsy fandriampahalemana mampalaina ny olona hifototra amin’ny fiompiana. Raha ny tarehimartika navoakan’ny FAO ny taona 2003, mbola nisy 10 tapitrisa mahery ny isan’ny omby manerana ny Nosy. Nanomboka tamin’io fotoana io, tsy nisy intsony antontanisa mazava momba ny omby. Fantatra fotsiny ny fitombon’ny omby velona aondrana an-tsokosoko any ivelany. Ny any Ambalavao sy ny any Miandrivazo izao, tsy misy tsenan’omby lehibe intsony.

Ny osy indray, mampalaza ny faritra atsimo, zara raha misy amin’izao fotoana izao. Ny any amin’ny distrikan’Ampanihy, manana ny talentany eo amin’ny fanaovana asa tanana  vita avy amin’ny hoditra osy. Zara raha misy anefa ny osy hahazoana izany akora izany fa ny avy any ivelany indray mitondra ny akorany amboarin’ny tanan’ny mponina ao Ampanihy.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.