Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

EPP Soarano : tapaka ny fifanarahana amin’ireo Sinoa mpivarotra

EPP Soarano  : tapaka ny fifanarahana amin’ireo Sinoa mpivarotra

Nandray fanapahan-kevitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena mikasika ny fitantanana ilay toeram-pivarotan’ny sinoa eo amin’ny EPP Soarano.

Tapaka fa ahato ny fifanarahana natao tamin’io sinoa io teo aloha izay efa tapitra tamin’ny taona 2016. Nambaran’ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Andriamorasata Julien, manoloana ireo fitarainana maro voaray fa manomboka izao dia ny vaomiera iraisan’ny roa tonta miaraka amin’ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny EPP Soarano no hisahana ny fitantanana izany tranombarotra izany.

Hisy araka izany ny antso hisokatra ho an’ny rehetra izay liana amin’ny fitantanana indray io tsenam-barotra ao amin’ny Epp Soarano io, « appel à manifestation d’intérêt ».

Marihina fa efa an-taona maro no niandraiketan’ny teratany sinoa ireo tranombarotra io. Betsaka ihany koa ireo teratany Malagasy miasa amin’izany toeram-pivarotana izany. Misokatra na ho an’ny teratany Malagasy na ho an’ny teratany sinoa na karana araka izany ny tolotra manomboka eto.

Ifaribonan’ny vaomiera manokana kosa ny fitantanana ny vola ampidirin’io fotodrafitrasa ao anatin’ny EPP Soarano io hampisy ny mangarahara sy hitondra tombontsoa ho an’ny sekoly sy ny mpianatra ao aminy.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.