Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Distrikan’i Marovoay : hitsabo maimaimpoana ny « Médécins de l’Océan Indien »

Distrikan’i Marovoay  : hitsabo maimaimpoana ny « Médécins de l’Océan Indien »

 Manomana hanatanteraka iraka goavana any amin’ny distrikan’i Marovoay ny “Médecins de l’Océan Indien” ao La Réunion sy ny fianakaviana Kessaria, ny 19 hatramin’ny 28 jona 2018. 50 mahery, dokotera sy teknisianina samihafa amin’ny lafiny fahasalamana ny hamita izany iraka izany.

« Teraka tany amin’ny faritan’i Mahajanga izahay, mahalala tsara ny distrikan’i Marovoay, mahita ny fijalian’ny mponina, koa rariny raha mitondra valim-babena », hoy ny iray amin’ireo fianakaviana Kessaria, nampahafantatra ny fitsaboana hataon’ny “Médecins de l’Océan Indien” (MOI) any amin’ny kaominina maromaro. Misy delegasiona iray mijanona ao Marovoay, hanao fandidiana, hijery ny momba ny maso, ny fo, ny vavony, hanao fitiliana ny reny. Delegasiona iray mivezivezy, ahitana dokotera tsotra, efatra ; dokotera mpandidy sy momba ny nify, dimy avy ; dokoteran’ny ankizy, iray. Izy rehetra ireo harahina mpanampy miaraka amin’ny fitaovana rehetra sy ny fanafody.

Tanjona kendrena amin’izao iraka izao ny hahazoan’ny mponina 8.000 hatramin’ny 9.000 fitsaboana maimaimpoana mahakasika karazan’aretina rehetra. Tanjona iray hafa ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpianatra mpitsabo ao amin’ny CHU Mahajanga. Taranja iray ny fanentanana ho fisorohana ny aretina mahazo ny ativava, indrindra ny ankizy any amin’ny sekoly ambaratonga voalohany ao amin’ny faritra.

Faha-62-n’ny asa ataon’ny MOI eto Madagasikara izao, ary nosafidina manokana i Marovoay”, hoy ny filohan’ny MOI, Dr Koytcha Firoze. 65.000 euros ny tetibola hatokana amin’izao iraka izao, avy amin’ny departemana ao La Réunion, ny fianakaviana Housseny sy Nazir Kessaria ho fahatsiarovan’izy ireo ny razambeny nidina voalohany tany Mahajanga.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.