Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Behoririka : nirodana fanindroany ilay rindrina, telo naratra

Behoririka  : nirodana fanindroany ilay rindrina, telo naratra

 Nianjera fanindroany indray omaly, ny ampahany tamin’ilay tamboho efa nianjera teny Behoririka, iray volana lasa izay. Soa ihany fa tsy nisy ny olona nianjeran’izany na nisy ihany aza ny naratra kely vokatr’izay.

Nirodana tany amin’ny arabe izany ka nifatratra tamin’ireo mpivarotra hani-masaka teo akaiky eo. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity omaly ity. Olona  telo no voalaza fa naratra, vehivevy iray sy lehilahy roa. Tototra tao koa ny lovia sy ny vilanin’ireo mpivarotra. Mba tsy nisy naninona kosa ireo mpiasa manao ny fanorenana eny an-toerana.

Araka ny fanazavan’ny olona, efa tsinjo ihany ny mety hirodanan’io tamboho io taorian’ilay tranga voalohany. “Efa nisy ny fampilazana ilay sinoa, saingy tsy nety nandrodana izany izy io. Efa tahaka izao ihany ny nitranga tamin’ny voalohany”, hoy ny fanazavan’ny mponina teny an-toerana. Io omaly io, tsy nipoitra teny indray ilay Sinoa raha vao nitranga ny loza.

Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina, saingy nilamina ny raharaha. Tonga teny ihany koa ny polisy, satria nisy ireo mpangalatra mpanararaotra.

Marihina fa teo amin’ity toerana ity ihany ilay rindrina nianjera tamin’ny voalohany ka nahafatesana olona efatra. Nijanona kely ny asa fanorenana nataon’ilay Sinoa teo, ary niverina indray ary izao nirodana izao indray. Mipetraka ny  fanotanian’ny olona hoe, sao tsy ara-dalàna aza ity asa fanorenana ity? Fantatra mantsy fa nisy olana teo amin’ilay Sinoa sy ny tompon-tany ary efa niakatra fitsarana izany. Nandresy ilay sinoa ary nanorina trano eo amin’ilay toerana. Niseho tampoka ny loza, ary izao nitranga izao indray. Miantso ny tompon’andraikitra ny olona eny an-toerana hijery akaiky ity olana ity.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.