
Hotanterahina, eny amin’ny kianja mitafon’Ankatso ny 23 sy ny 24 jona ho avy izao, mandritra ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny Fiba 33, ny lalao mandroso sy ny fihaonana miverina, hifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny «Afrobasket Men U18 », taranja basikety, hikatrohana amin’i Seychelles.
Hotanterahina eto Madagasikara avokoa izany fihaonana izany. Mpilalao 15 no hakana ireo 13 handrafitra ny ekipam-pirenena. Efa niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy U16, ny dimy amin’ireo voaantso : i Marco, i Fabrice, i Nasser, i Safidy ary i Sitraka. Raha tsiahivina, laharana fahadimy ny nisy an’i Madagasikara, nandritra ny “Afrobasket Men U18”, natao ny taona 2015.
Mandra-piandry izany, hatao eto Madagasikara, ny 28 sy ny 29 jolay 2018, ihany koa ny fifanintsanana, hiadiana ny “Amboaran’i Afrika”, ho an’ny basikety lalaovina olona telo, Fiba 33, ho an’ny vondrona “A”, lahy sy vavy.
Misy firenena fito, ho an’ny vehivavy : i Madagasikara, i Tonizia, i Gabon, i RD Kongo, i Egypta, i Ogandà, i Zimbaboe.
10 kosa izany eo amin’ny lehilahy : i Madagasikara, i Tonizia, i Gabon, i RD Kongo, i Egypta, i Sodan atsimo, i Ogandà, i Tanzania, i Zimbaboe, i Seychelles.
Any Benin kosa ny fifanintsanana ho an’ny vondrona “B”. Tsiahivina fa ny dingana famaranana, hatao any Togo, ny volana novambra.
Tompondaka
Les commentaires sont fermées.