Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsipahana ny minisitra HVM : hitarika vahoaka ho eny amin’ny lapan’i Mahazoarivo ny depiote

 Mitohy ny hetsika ary niova tanteraka. “Ho any Mahazoarivo isika rahampitso (anio) hitaky amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny hanesorana ireo minisitra HVM ao anaty governemanta. Tsy azo ekena izao zava-misy izao  satria tsy firaharahana vahoaka. Tsy hahafoana ny kolikoly ireo minisitra HVM satria efa maloto. Tsy azo antoka ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara. Sambory izahay raha  sahy ianareo. Tsy hanakorontana izahay akory…  ”, hoy ny depioten’ny fanovana,  i Tody Arnaud, tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, omaly. Hifamotoana etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey izy ireo, anio maraina, mialoha ny hizorana eny Mahazoarivo. Nanaovan’izy  ireo antso avo  koa  ny vahoaka any amin’ny faritany sy ny faritra mba hanao  hetsika fitakiana ny  hialan’ireo  minisitra HVM ireo.

Etsy andaniny, nisaoran’ireo depiote ny vahoaka sy ny mpianatra fa nahomby ny diabe niainga  teny Ankatso nihazo ny teny  Fiadanana  nanakatonana  ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, nitakiana ny fialan’ny minisitra HVM, Rasoazananera Marie Monique. Nahitsy kosa  ny mpitondra tenin’ny depiote 73  (D73) nilaza fa miombon-kevitra izy ireo amin’izao diabe ho eny Mahazoarivo  izao ary iraisana amin’ny  vahoaka izany. “Efa hetsi-bahoaka ho amin’ny  fanovana ny antsika ka tsy misy matahotra eto. Na izany aza, mbola misy  vary mangatsiakanay eny  Tsimbazaza ka tsy maintsy hifampizara izahay. Handinika ny  fanitsiana  ny  tetibola rahampitso  (anio) ka  hanarahanay maso indray raha mbola hisy vola amin’ny gony efa fanaon’izy ireo eny…  Tsy mbola ambara antsika  ny paikady fa efa misy fitoriana  hafa vonona  koa izao any…”, hoy  izy.

Nampitandrina ny  mpitandro filaminana ny depiote

Nanome  tsiny nefa naneho fahavonana hanampy ireo mpiasa sy sendikà  ny depiote  manoloana ny tsy nihetsehan’ny  sasany  tamin’ny fotoana nakana minisitera  ireny. Mikoropaka anefa amin’izao fotoana izao miantso  ny vahoakan’ny  13 mey hanohana azy.  “Ho  avy izahay  ary tsy manary anareo. Tompon’andraikitra voalohany anefa  ianareo amin’ny fanidiana  ny minisitera sy ny fiambenana izany, tsy  hiverenan’ny minisitra eo  intsony” ,  hoy ihany  izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.