Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zanak’Atsimo Atsinanana : « omeo sehatra ny tanora…”

Zanak’Atsimo Atsinanana  : « omeo sehatra ny tanora…”

Nivoaka amin’ ny  fanginany, manoloana ny raharaham-pirenena. “Manana ny maha izy azy ny faritra Atsimo Atsinanana na eo amin’ny politika  na  toekarena. Manana  tanora manampahaizana maro koa izahay.  Mampalahelo anefa  fa vitsy ireo  manana andraikitra  eto amin’ny firenena”, hoy  ireo Zanaky ny faritra Atsimo Atsinanana , omaly  teny  Tsimbazaza. Manolona izany,  nanao antso  avo izy ireo ny amin’ny tokony hanomezana sehatra ny  tanora  avara-pianarana avy any amin’iny  faritra  iny. “Zary lasa ankilabao na anjorom-bala  ny tanora avy any aminay…”, hoy ihany izy ireo.

Etsy andaniny ,  nankasitraka ny depiote ho an’ny fanovana izy ireo tamin’ny tolona natao ka nahazoana ny Praiminisitra Ntsay Christian.

Synèse  R.

Les commentaires sont fermées.