Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vohémar : sokadranomasina miisa 11 saron’ny zandary

Vohémar  : sokadranomasina miisa 11 saron’ny zandary

Sokadranomasina miisa 11 indray saron’ny zandary ao Vohémar sy ny sampan-draharahan’ny jono ao Vohémar, ny alatsinainy teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, tafaporitsaka ireo mpanjono ka navelan’izy ireo niaraka tamin’ny sokatra ireo fitaovana fampiasan’izy ireo manarato ireto biby ireto. Nanao fanadihadiana avy hatrany ny zandary ka hita tamin’izany fa efa maty ny iray amin’ireo sokatra ireo raha naverina avy hatrany any anaty ranomasina kosa ireo sokatra miisa 10. Nilaza ny zandary sy ny sampandraharaha misahana ny jono ao Vohémar fa biby arovana ny sokadranomasina satria ahina ho lany tamingana. Noho izany, ho hentitra izy ireo amin’ny fanaraha-maso sy ny fampiharana ny sazy ho an’ireo mpanjono tratra manarato ireny sokadranomasina ireny. Mirongatra ary lasa mahazo vahana ny fanjonoana ireny sokatra ireny amin’iny faritra iny. Maro ireo mpanjono manao sakafo itony sokatra itony. Misy kosa ireo manao kitoza ary amidin’ny olona lafo mihitsy ny kitozan’ireny sokadranomasina ireny, araka ny fampitam-baovao voaray hatrany. Nanamafy kosa ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ao Vohémar fa maro ny fitarainana voarain’izy ireo momba ny fisian’ireo mpanao trafikana sokadranomasina. Mitohy, araka izany, ny fikarohana ireo mpanjono nanjono ireto sokadranomasina ireto.

J.C

Les commentaires sont fermées.