Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tokony efa hitsangana ny governemanta : milalao fotoana indray ny filoha Rajaonarimampianina

Tokony  efa hitsangana ny governemanta  : milalao fotoana indray ny filoha Rajaonarimampianina

 Mitady hirika hampitarazoka ny raharaha sy milalao fotoana.  Efa vita sy nifampiresahana ny fiandohan’ny herinandro  teo,  ny tokony ho isan’ny minisitra handrafitra ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tokony efa hirosoana ny  fanendrena izany ary tafapetraka mialoha ny alatsinainy izao. Tsy mbola mihevitra ny haka  ny hevitry ny lehiben’ny antoko  tokony hanana anjara toerana amin’izany, anefa ny filoham-pirenena, ahafahana mampandeha ny fitantanana  ny firenena. Ho tapitra amin’ny fiandohan’ny  herinandro io  ny fito andro, taorian’ny nanendrena ny praiminisitra araka  ny  fe-potoana voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) tokony handrafetana izany.

Fantatra anefa fa handeha hihazo  ny any Kanada ny filoham-pirenena ny zoma  izao raha  tsy misy ny fiovana. Haharitra herinandro  ny fivahiniany any amin’ity firenena  ity.

Hiafara amin’ny fionganan-dRajaonarimampianina

 Tahaka  izany koa ny filoha  teo aloha, Ravalomanana. Efa lasa nihazo  ny any Londres. Samy tsy eto an-toerana avokoa  izany. Mbola mikendry hihodinkodina indray izany ny fitondrana. Hiandry ny tery vaimanta na tsindry avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena  indray   vao ho taitra ? Ho  sakana ho amin’ny fivoahana amin’ny krizy Rajaonarimampianina ary mety tena hiafara amin’ny fionganany ihany izany. Mandrimandry manana aretina ny filoham-pirenena ary  azo adika tsotra izao ho tsy fanehoana  ny fitiavan-tanindrazana amin’izao  efa  fotoan-tsarotra diavin’ny  firenena  sy ny vahoaka  izao  ny tsy firaharahana izany.

Randria

 

Les commentaires sont fermées.