Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tarika Nantenaina : hiaka-tsehatra etsy amin’ny Telozoro

Tarika Nantenaina : hiaka-tsehatra etsy amin’ny Telozoro

« Zanak’ambanivolo », « Sarotra andramana », « Tambitamby », « Pasitera », « Vôlan’ecolage », « Véronique », « Fakam-panahy », « Vieux célibataire », sns. Hira nahafantarana ny tarika Nantenaina, tao anatin’ny rakikira roa voalohany navoakany ireo.
Tsy nitsahatra ny famoronana, na dia tsy maro aza ny fiakarana an-tsehatra nataon’ny tarika. Fantatra kosa fa miezaka ny hihaona matetika amin’ny mpankafy ny tarika. Tafiditra anatin’izany ny seho izay hotontosainy ny zoma 8 jona ho avy izao, manomboka amin’ny 9 ora alina, etsy amin’ny Telozoro Andrefan’Ambohijanahary.
“Ankoatra ireo hira efa nahafantarana an’i Nantenaina hatramin’izay, fotoana hitondranay ireo hira vaovao ihany koa io. Anisan’izany ireo hahenoana ny gadona basesa, mampalaza an’i Toamasina”, hoy i Nantenaina. Ny hira no vaovao, fa tsy niova kosa ny fanehoana ny zava-misy anatin’ny tononkira, izay nahafantarana ity mpanakanto ity hatramin’izay.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.