Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Malagasy miara-miainga, Ramaroson Laurent : «tokony hanadio sy hamafa trano ny governemanta vaovao »

Malagasy miara-miainga, Ramaroson  Laurent  : «tokony hanadio sy hamafa trano ny governemanta  vaovao »

Naneho ny heviny  tao amin’ny onjampeo  Alliance  92 FM amin’ny alalan’ny fandaharana  “Ambarao”, omaly  ny birao politikan’ny Malagasy miara-miainga, Ramaroson Laurent.  Notanisainy tamin’izany ireo tokony ho asa na  iraka hataon’ny governemanta.

 Apetraho  ny lalàna sy ny fitsipi-dalao. Asan’ny  governemanta ny mijery izany satria anisan’ny nahatonga ny  depiote niala teny Tsimbazaza nankeny an-dalambe io lalàm-pifidianana  io. Tokony hamoaka io lalàna tsy miangatra  io izy ireo. Anjarany izany. Asany koa ny hanadio ny paika maloto efa napetraky ny governemanta teo aloha, hatrany ambanivohitra any, hanodinana  ny safidim-bahoaka hanerena ny  vahoaka hifidy  ny HVM. Mamafa  trano  izany  izao governemanta vaovao izao…”, hoy  izy. Niaiky  ny tenany fa nisy fitakiana manoloana  ny fijaliana sy  fahasahiranan’ny vahoaka.  Tsy nihenoina  tao anatin’ny  efa-taona  izany.   Tsy nihetsika ny sendikà  nandritra izany  ka manana fitakiana tokony haterina eny Tsimbazaza,  araka  ny nambarany. “Efa voarain’ny  depiote izany ary anjarany ny mijery sy mandinika ary mamadika ho lalàna ireny satria amin’ny febroary vao mifarana ny  fe-potoam-piasan’izy ireo”, hoy ity birao politikan’ny Malagasy miara-miainga  ity.

Nanteriny  fa tokony  hokabarin’ny depiote eny amin’ny kianjan’ny 13 mey  ny nandraisan’izy ireo ny fitakiana ary entina hanerena ny mpitondra ho avy eo. Notsiahiviny  fa anisan’ny asan’io governemanta vaovao io  ny manao ny fomba rehetra handehanana hanehoan’ny  olona ny  safidiny amin’ny fifidianana filoham-pirenena  hanatanteraka  ny  hetahetan’ireo nanao fitakiana. “Tsy ity fitondrana  ity ny hanatanteraka ny fitakiana rehetra afa-tsy  ireo tena maika, toy ny tambin-karama sasany ho an’ ny mpampianatra ohatra  noho ny familafilana  etsy sy eroa.  Mety azo atao sy tanterahina avy hatrany  izany. Misy kosa  anefa miandry ny filoha vaovao. Ohatra, ny fanovana  ny satan’ny mpiasam-panjakana”, hoy Ramaroson Laurent.

Samy  hotsarain’ny nataony avokoa  ny  rehetra 

Etsy andaniny, nisy koa ny fitakiana  teny an-kianja amin’ny fanaraha-maso ny harem-pirenena navoaka sy ny momba ny fananam-panjakana etsy sy eroa.   Nohitsiny  fa anjaran’ny governemanta na ny minisitra vaovao ny mijery antsipiriany ny momba izany. “Ny  tsy tokony  hihetsehan’ilay minisitra teo aloha hidiran’ny Bianco sy ny mpisafondraharaham-panjakana  an-tsehatra. Hotsarain’ny nataony avokoa ny rehetra. Tokony ho  asan’io governemanta araka ny fitakiana teny an-kianja  izany. Mamantana trano  madio ny  fitondrana vaovao aorian’ny  fifidianana ary miainga avy hatrany ny  fampandrosoana sy  famaliana  ny fitakiana  samihafa, araka ny fandaharanasa nofidin’ny vahoaka”, hoy ihany izy.

Momba ny tetibolam-panjakana  kosa,  nambarany fa azo ampiasaina ny efa nolanin’ny parlemanta tamin’ny  taon-dasa. Notsindriny  fa anaty fivoriana ny parlemanta izao ary  hanitsy ny  tetibola ka tokony ho anjaran’ny governemantan’i Ntsay  Christian ny mamolavola izany hoentina eny amin’ny Antenimiera.

Depiote namadika  palitao sy nanao kolikoly

Namintinany izany rehetra izany ny filazana  fa  anisan’ny takina amin’ny governemanta ny hanomanana fifidianana tsy mitongilana sy marina. Ilana  olona mahay mikarakara sy manomana ny fifidianana. “Matanjaka amin’ny fitanana kifafa sy ny fampandehanan -draharaha ny tokony  ho minisitra. Anjaran’ny  lehiben’ny antoko ny mijery ny olona tokony  ho minisitra, miainga amin’ny lalàmpanorenana. Hitana kifafa sy hanadio  trano amin’ireo  raharaha maloto sy hijery  izany”,  hoy izy.

Ny momba ny kolikoly nataon’ny depiote, handondona ny Bianco ny governemanta vaovao. Tahaka  izany koa ny  fanonganana ireo depiote nivadika  palitao.  Tokony hojeren’ny HCC. “Efa hita  porofo ireo depiote Malagasy miara-miainga nivadika ka manahirana ihany izany.  Mametraka fitokisana feno amin’ny governemanta vaovao amin’ny firosoana amin’ny fifidianana mangarahara sy hampalalaka ny safidin’ny  vahoaka  izahay. Ka tokony handraisany  fepetra ny  sakantsakana samihafa mialoha sy mandritra  ary aorian’ny  fifidianana”, hoy ny birao politikan’ny Malagasy miara-miainga, Ramaroson Laurent.

Synèse  R. 

 

Les commentaires sont fermées.