Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo ; resaky ny mpitsimpona akotry : valy fingika fingaka

Mangidy raha mangidy ny tsy fisian’ny fandriampahalemana amin’izao fotoana izao. Noho ny fitaintainana, maimbo rà avokoa ny mponina. Raha tsy mahomby ny fiarovan’ny fanjakana ny mponina, toa mitaky valifaty mihatra amin’ireo tsy mataho-tody ny maro.  Ny mpitandro filaminana koa dia toy izany manoloana an’ireo tambajotran’olon-dratsy izay efa tsy misalasala intsony mamono na ny mponina hetraketrahany na ny miaramila zandary ary polisy izay miezaka amin’ny famerenana ny fandriampahalemana. Tsy manaiky ny fanaovan’ny jiolahy habibiana izy ireo, tsy misorona intsony amin’ny famaliana ny ratsy ataon’ny dahalo. Aina takalon’aina no ifanaovana, na tsy nisy aza ny fanekena momba izany dia atao toy ny teny nifampierana izany. Tsy vitan’ny mankasitraka eo amin’izany fisehoan-javatra izany ny mponina fa mihoby mihitsy aza ary midera an’ireo mahery fo tafita amin’ny fanaovana valifaty. Ny teny midina koa angamba tsy dia misy fanafarana fitsitsiana ny ain’ireo mpanao ratsy. Mody mikipy daholo, tsy mijery ny maha ara-dalàna na tsia izany. Samy mahafantatra mantsy fa tsy manaraka ny lalàna izany, nefa ny tena moa dia tsy mitsahatra amin’ny fampatsiahivana fa tany tan-dalàna ny eto amin’ny Nosy.

Nofinofy vetsovetsoina fotsiny izany hoe tany tan-dalàna izany amin’izao fotoana izao. Fonoka entina hampiesonana ny vahoaka. Ny lalàna anefa atao ho fiarovana ny marina sy ny rariny no atao koa ho fefy tsy afaka ho dinganin’iza na iza, na indrindra indrindra ny manampahefana. Valy tokana amin’ny fanontaniana iray no hany afaka ilazana ny marina momba izany rehetra izany. Eto Madagasikara moa ve fehezin’ny lalàna ny fitondrana ? Samy manana ny fijeriny, asa ianao, asa ny fahitan’ny maro ny fizotran’ny raharaham-pirenena eo amin’izay lafiny izay. Toy izany koa ny mikasika ny kolikoly sy ny fitomboan’ny harena tampoka tsy fanta-pihaviana. Ny fitomboan’ny harenan’ireo efa teo amin’ny fahefana no tsy maintsy hanaovana andrimaso tsy misy fanafana. Raha tsy izay dia fandrebirebena fotsiny ity lazaina hoe ady amin’ny kolikoly, fandaniam-bola toy ny hena atoraka alika, fitapitaka ataon’ireo tsy tompom-bola fa nametrahana adidy fotsiny.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.