Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsaboana sofina : nahazo trano ORL Audiology Clinic ny Salfa Ambohibao

Fitsaboana sofina  : nahazo trano ORL Audiology Clinic ny Salfa Ambohibao

 Nisokatra omaly ny sampan-draharahan’ny ORL Audiology Clinic etsy amin’ny hopitaly Ambohibao. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Maheno ny fanamboarana azy.

Natao omaly teny amin’ny Salfa Ambohibao ny fanamarihana ny faha-20 taona niorenan’ny toeram-pitsaboana Sofina Salfa sy ny fanokanana ny trano fiasana vaovao ORL Audiology Clinic. Azo avy amin’ny tetikasa Maheno iarahana amin’ny CBM ny fotodrafitrasa vaovao ary nisy koa ny fianakaviana malagasy toy an’Andriantsitohaina Charles mivady nitondra ny anjara birikiny amin’ny fampitaovana ny efitrano vaovao. Trano fitsaboana orona, sofina ary ny tenda ny ORL fa ny fikarakarana ny olona manana olana amin’ny fihainoana no tohanan’ny CBM. Ahitana efitra fandidiana, natokana ho an’ny marary, efitra fizahana, fitsaboana ny sofina ary efitrano manokana (VIP) ny fotodrafitrasa vaovao. Maoderina ny fitaovana ampiasana isaky ny efitra.

 Tetikasa Maheno

Nanomboka ny taona 2017 ny tetikasa Maheno hitiliana ny olona manana olana amin’ny fihainoana eny amin’ny fokontany. Ankoatra ny fitsaboana azo atao eo no ho eo, misy ny fandidiana tsy maintsy atao eny anivon’ny hopitaly toy ny aretina totongandronono mahazo ny sofina. Anisan’ny hopitaly mandidy ny totongan-dronono ny eny Ambohibao. Tamin’ny taona 2017, nahatratra 40 ny olona nodidina teto Analamanga sy tany Vakinankaratra. Manefa ny 10% amin’ny saran’ny fandidiana sy ny fandraisana an-tanana ny marary. Amin’ny ankapobeny, araka ny antontanisa ny taona 2005, manodidina ny 14,4% ny tahan’ny olona manana olana amin’ny fihainoana ary 5% kosa ny voan’ny totongandronono miseho amin’ny fahavakisan’ny ampogantsofina ka miteraka fidinan’ny fahenoana. “Ny fahasarotan’ny aretina antsoina hoe “choléstestome”, mety mitarika amin’ny fahafatesana”, hoy ny tomponandraikitry ny fitsaboana sofina ao amin’ny hopitaly, ny dokotera Randrianarisoa Théodore, omaly teny an-toerana. Misoroka ny aretina ny fikarakarana ny orona satria mifandray amin’ny sofina. Ilaina ny fanadiovana ny oron’ny zaza madinika sy fampianarana azy manisin-delo, mialoha ny faha-5 taony.

Amin’izao fotoana izao, amin’ny olona 100 tonga mizaha sofina, ny 20 amin’ireo tratran’ny totongandronono avokoa izay azo didina arakaraka ny sokajin’ny fahavoazana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.