Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampianarana nomerika : mpanabe 144 miofana momba ny “codage”

Fampianarana nomerika  : mpanabe 144 miofana momba ny “codage”

Ho fanatsarana sy fanamorana ny fampitana lesona any an-dakilasy amin’ny fikirakirana informatika, nofanina hifehy ny “codage” amin’ny “programmation” ny mpampianatra eny amin’ny lycée. Mampiasa “logiciel” ireo mpiofana amin’ny fanaovana izany ahazoana mampiaina ny lesona ka ampianarina ny mpianatra ny fifehezeana io “logiciel” io mba hitarika azy hikarokaroka momba ny taranja na lohahevitra iray tafiditra amin’ny fandaharam-pianarana. Afaka miofana momba ny “codage” avokoa ny mpampianatra amin’ny taranja rehetra misy eny amin’ny lycée ary tsy voatery mahay “programmation” vao afaka mampihatra azy any an-tsekoly. “Iarahana amin’ny SPA amin’ny alalan’ny Africa Code Week sy ny Unesco ny tetikasa amin’ny firenena 15 aty Afrika”, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra iray ao aminy, i Jean Julia, omaly teny Antanimbarinandriana. 144 ny mpanabe avy eto amin’ny faritra  Analamanga niofana momba ny “codage” ary zaraina amin’ny vondrona iombonana ny vokatra vitan’ny tsirairay hohatsaraina na hifampizarana ho an’ny samy mpanabe. “Manatsara ny fampianarana nomerika efa voizina eny amin’ny lycée eto amintsika ny fampiasana ny “codage” satria mivoatra haingana ny tontolon’ny teknolojia vaovao”, hoy ny tale jeneralin’ny fampianarana ambaratonga faharoa fototra, Rakotojaona Lalaharontsoa.

Vonjy A.  

Les commentaires sont fermées.