Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Dihy « flamenco » : hiantsehatra ny Cie Angeles Gabaldon

Dihy « flamenco »  : hiantsehatra ny Cie Angeles Gabaldon

Efa nisy fotoana nampalaza ny « flamenco » teto an-dRenivohitra. Zavamaneno tsotra toy ny gitara no nentin’ireo mpanao « flamenco » nitety tanàna tamin’izany… Ny zoma 8 jona izao manomboka amin’ny 7 ora hariva kosa, ny Cie Angeles Gabaldon no haneho ny « Con corriente », ao amin’ny IFM Analakely. Ny lalana lavitra nizoran’ny dihy sy ny hira fanao ao anatin’ny « flamenco » no hoentin’ity kaompania avy any Espaina ity eny an-tsehatra amin’izany. Anisan’ireny ny endrika voalohany sy ny fomba fanaovana « flamenco » Andalousie, tany amin’ny taonjato faha-18. Ny fivoarany taty amin’ny taonjato faha-19 sy faha-20, mandra-pahatonga azy ho tonga dihy fantatry ny rehetra any Espaina sy maneran-tany aty aoriana.

Telo ihany ny mpikambana ao anatin’ny Cie Angels Gabaldon ka saika manana traikefa matanjaka amin’ny anjara tandrify azy avokoa izy ireo. Ny mpitarika, nianatra nandritra ny 10 taona tao amin’ny Española Danza. Nahazo diplaoma mifandraika amin’izany. Nandray anjara tamina fifaninanana maro ka nahazo vokatra tsara hatrany. Nampianatra tany Japon, tany Meksika, tany Frantsa, tany Alemainina, tany Aotrisy, sns.

Marihina fa anisan’ny fitambarana dihy sy hira tsy ampiasana fitaovana mavesatra ny « flamenco ». Saika ny feo sy ny fikapoky ny tanana ihany no miasa be indrindra fahiny. Taty aoriana, niditra tsikelikely ny zavamaneno tsotra toy ny gitara. Ho an’ity kaompania tonga eto Madagasikara ity, anisan’ny hampiavaka ny seho hataon’izy telo mianadahy ny fanaovana ireo fitafiana fahiny rehefa manao « flamenco ».

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.