Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Depiote ho an’ny fanovana : «tsy ilaina minisitra HVM efa teo»

Depiote ho an’ny fanovana  : «tsy ilaina minisitra HVM efa teo»

Miainga amin’ny voka-pifidianana navoakan’ny CES ny fandrafetana ny governemanta. Depiote 49 Mapar, 21 Tim, 14 MMM… Tsy misy HVM izany. Tompon’andraikitra amin’ny fanendrena ny ho minisitra ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tsy avy any Anosikely na Iavoloha izany fa miainga eny Mahazoarivo. Tsy mila miverina intsony ny minisitra HVM efa teo”,  hoy ny depiote ho an’ny fanovana tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, omaly. Nohitsin’izy ireo  koa fa tsy marina ny filazana ho voafitaka na nivadika ireo depiote 73.  “Nisy ny tsy fitovian-kevitra, saingy efa niravona izany. Mbola mitambatra tanteraka ny depiote ho an’ny fanovana ary mbola vonona hatrany. Misy ny mandrabiraby anareo mpitolona hamotehana ity tolona eto amin’ny kianjan’ny 13 mey ity”, hoy ihany izy ireo.

Synèse  R.

Les commentaires sont fermées.