Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cnaps : mijaly ny vondron’olona misotro ronono

Cnaps  : mijaly ny vondron’olona misotro ronono

Manana andraikitra ny Cnaps miantoka ny volan’izay efa misotro ronono, ireo nandrotsaka ny latsakemboka ho an’izany nandritra ny fotoam-piasany. Ankehitriny anefa, miaina ao anaty fahasahiranana tanteraka ireo beantitra ireo, manahy sy mametra-panontaniana fa toa ny latsakemboka avy amin’izy ireo indray no navadika nanamboaran’ny Cnaps kianjan’ny fanatanjahantena any Vontovorona, miampy izay fitantanana tsy mazava ?

Azo lazaina ho ao anaty fahantrana tanteraka ireo lazaina fa « misotro ronono » amin’ny Cnaps, nefa tsy takatry ny fahefa-mividin’ny maro izany ronono izany. Mandalo fotoan-tsarotra avokoa ireo sokajina mpiasa rehetra teo aloha vao mahatafita volana iray, ireo izay teo amin’ny fitantanana hatrany amin’ny mpiasa madinika. Ny am-perinasa aza mbola sahirana, mainka ireo zokiolona.

Manoloana izany, misy vondron’olona efa misotro ronono ao amin’ny Cnaps hivoryao amin’ny foiben’ny MDE (Mouvement développement éthique), sampana iray ao amin’ny CDE, (Club développement éthique) eo Ankadivato, ny asabotsy 9 jona izao amin’ny 9 ora. Hitarika ny fivoriana Rtoa Noro.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.