Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Adin’ny samy ngeza» : hotanterahina ny 17 jona ny famaranana

Rugby – «Adin’ny samy ngeza»  : hotanterahina ny 17 jona ny famaranana

Tontosa soa aman-tsara, ny alahady 4 jona lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao manasa-dalana roa, eo amin’ny lalao baolina lavalava, karakarain’ny fikambanana Les As 38. Famaranana roa goavam-be, no hotanterahina ny alahady 17 jona, ho avy izao. Andaniny, TFA Anatihazo,  hifandona amin’ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Ankilany, FTM Manjakaray (Dakar) hifampitana amin’ny 3FB (Zef’be). Hotolorana omby mifahy sy lelavola 1 tapitrisa Ar miampy amboara, izay ho mpandresy ary lelavola 1 tapitrisa Ar sy amboara kosa ny an’ireo resy.

Nitondra ny teny fisaorana, ho an’ny Malagasy rugby sy ireo fileovana rehetra nandray anjara, ka nampizotra an-tsakany sy an-davany,  ireo lalao manasa-dalana, ny fikambanana Les As, tamin’ny alalan-dRandriantsoa Radouh.

“Tafita ny hafatra, saingy tsy mbola tratra ny tanjona. Mbola miantso ireo mpankafy, ho tonga maro amin’ny famaranana, izahay. Mankasitraka ny toe-tsaina “fair-play”, nasehon’ny ekipa rehetra, ihany koa ny Les As 38”, hoy izy.

Nilaza ny fikambanana Les As, fa tsy hitsahatra eo ny fifaninanana karakarain’izy ireo fa hisy tohiny ka ny toe-tsaina hitondrana izany dia hihavao hatrany. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny fiverenana an-doharano sy fampiraisana indray ary fandravonana ny olana nisy teo amin’ny tontolon’ny baolina lavalava, ny zava-kinendrin’ny fikambanana Les As.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.