Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ranomafana : lehilahy iray nisandoka ho Lietnà zandary

Ranomafana  : lehilahy iray nisandoka ho Lietnà zandary

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Ranomafana Atsinanana, afakomaly ny lehilahy iray, 46 taona nisandoka ho manamboninahitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy lehilahy iray mitonona ho Lietnà zandary ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasimbe (25 km avy eo Ranomafana Atsinanana). Nidina tany an-toerana avy hatrany ny zandary izy ka tratra tao amin’ny toerana fisotroana iray izy. Nanontanian’ireo zandary ka nanamafy fa Lietnà miasa ao amin’ny DRH ao amin’ny Toby Ratsimandrava Richard. Nanao ny “survetement” manga an’ny zandarimariam-pirenena izy tamin’io fotoana io. Mbola nanamafy hatrany izy fa mahavita “affectation – advancement…” ho an’ireo zandary efa miresaka aminy. Raha vao nanontaniana anarana tompon’andraikitra ambony vitsivitsy ao amin’ny zandarimariam-pirenena anefa izy, very tanteraka ka nosamborina nanaovana fanadihadiana avy hatrany. Nisy olona maromaro noho izany nitaraina fa efa saika voambakany. Fantatra koa fa vao avy nivoaka ny fonja tsy ela akory izay ity lehilahy nisandoka ho zandary ity. Nanamafy ny zandary fa noho ny fisandohana ho “commandant de brigade” (CB) tany amin’ny faritra Vakinankaratra ny nidirany am-ponja. Hatolotra ny fampanoavana ao Toamasina anio ity Lietnà sandoka ity.

Mamerina hatrany ny zandary fa tsy misy na iray aza afaka mampiditra na manafaka mpiadina ho mpianatra ho zandary fa ny fahaizan’izy ireo ihany no hahafaka azy.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.