Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Praiminisitra teo aloha, Mahafaly S. : tsy misy adivarotra ny fametraham-pialana

Praiminisitra teo aloha, Mahafaly  S.      : tsy misy adivarotra ny fametraham-pialana

Ekeko tsy misy adivarotra ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Tsy te ho vato misakana amin’ny famahana ny olana ankehitriny rahateo ny tenako”, hoy ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana teny Mahazoarivo, ny maraina, talohan’ny nanaterany ny taratasy fametraham-pialany teny amin’ny filoham-pirenena, eny Iavoloha. Mijoro hatrany izy, mitondra vahaolana sy ny anjara birikiny eo amin’ny fahamahana olana eto amin’ny firenena, araka ny nambarany.

Noho izany, tsy an-tery na amin’ny alahelo fa an-tsitrapo ary an-kafaliana ny fametraham-pialany. Tsy maintsy atao izay mba hahazoan’ny filoham-pirenena misafidy an-kalalahana izay ho praiminisitra hitantana ny governemantan’ny marimaritra iraisana. “Tsy misy nanenenako ny vita”, hoy izy.

 Neken’ny filoha ny fametraham-pialan’ny PM

 “Isaorantsika ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ireo mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta noho ny asa notanterahina sy vitan’izy ireo, ary ny ezaka nataony teo amin’ny fanatanterahana izany asany izany ao anatin’ny fanompoana ny firenena.

Io ny fanambaran’ny filoha Rajaonarimampianina tamin’ny mpanao gazety teny Iavoloha, omaly tolakandro, taorian’ny nanolorana azy ny taratasy fametraham-pialan’ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra teo aloha. Mandra-pipetraky ny governemanta vaovao, mbola manao ny asa fampandehanan-draharaha andavanandro avokoa ireo nametra-pialana amin’ny governemanta teo aloha.

Andrasana eo izay ho tohin’ny raharaha

Hilamina amin’ny fijoroan’ny governemanta vaovao eo ve ny raharaha? Tsy mbola miala amin’ny toerany ny filohan’ny Repoblika, ary mbola manodidina azy avokoa ireo olona akaiky azy sy ny tandapa. Anisan’ny mahabe fitarainana ny vahoaka ny fisian’ny tsimatimanota, ny kolikoly avo lenta, ny anamparam-pahefana, ny fanjakazakana, ny kiantranoantrano, ny tsy fangaraharana…

R. Nd.

 

Une réponse à "Praiminisitra teo aloha, Mahafaly S. : tsy misy adivarotra ny fametraham-pialana"

  1. komi  05/06/2018 à 10:53

    mendrika ny fanetretena nataon’ny PM raha izay ny fatatra fa hitondra vahaolana @krizy

Les commentaires sont fermées.