Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

PNAN III : hidina 38% ny tsy fanjarian-tsakafo

 Tanjona ao anatin’ny drafitrasa nasionaly ho an’ny fanjarian-tsakafo (PNAN III) andiany fahatelo, nanomboka ny taona 2017 ka hatramin’ny taona 2021 ny hampihena ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka 47,3% ho 38%. Ampidinina ho 25% ihany koa ny tahan’ny tsy fahampian-danja eo amin’ny zaza raha 32,4% ny taha amin’izao fotoana izao. Mpandrindra ny asa ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) miaraka amin’ny mpisehatra eny ifotony sy ny mpamatsy vola samihafa. 80 mahery ny mpiara-miasa manatanteraka ny PNAN III. Voakasika ao avokoa ny sehatra rehetra ; fikarohana, fiarahamonim-pirenena, ONG, sehatra tsy miankina, ireo sampandraharahan’ny Firenena mikambana. Tokony ho feno (fahasalamana, torohevitra momba ny sakafo…) ny tolotra homena ary 90% ny tahan’ny fandrakofana ny toerana eto Madagasikara raha tiana hahomby sy hahazo vokatra haingana momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Misy ny asa efa atao ahazoana vokatra haingana ho an’ny sokajy telo voakasika : ny daholobe, ny vehivavy mitondra vohoka ary ny zaza latsaky ny 5 taona. Ho an’ny daholobe, teo ny fanampiana ioda ny sira ampiasaina ny isan-tokantrano. Ho an’ny vehivavy mitondra vohoka, omena odikankana sy « fer » ary fanafody fiarovana amin’ny aretina tazo izy ireo. Tolotra azo eny anivon’ny CSB sy ny toeram-pitsaboana avokoa ireo. Zava-dehibe koa ny fisafoana inefatra mandra-pahateraka. Ho an’ny zaza, eo am-pahaterahana ny fanombohana ny fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo. Mandritra ny enim-bolana voalohany, ny nonon-dreny fotsiny ihany dia ampy ho sakafon’ny zaza andro sy alina.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.