Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ny Pnud sy ny minisiteran’ny Toekarena : tetikasa maro hiadiana amin’ny fahantrana lalim-paka

Ny Pnud sy ny minisiteran’ny Toekarena  : tetikasa maro hiadiana amin’ny fahantrana lalim-paka

Nanambara ny Pnud, ny herinandro lasa teo, miaraka amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetipivoarana, fa anisan’ny iray amin’ireo 64 nosafidina anatin’ny laharam-pahamehana i Madagasikara. Faritana, noho izany, ny tanjona ho an’ny fampandrosoana maharitra (ODD) sy ny fomba hoenti-manatanteraka izany.

Niainga avy amin’ny fanadihadiana nanomboka ny taona 2015, ny fanaovana tomban’ezaka mifandraika amin’izay ODD (Objectif de développement durable) izay. Nozahana ny firenena 169, ka 64 nosafidina farany ho laharam-pahamehana, anisan’izany i Madagasikara, hiadiana amin’ny fahantrana lalim-paka ; ady amin’ny tsy fitovian-jo sy ny tsy rariny ; tsy adino koa ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. « Fantatra izao, ankehitriny ny tatitra amin’izay laharam-pahamehana izay eto amin’ny firenena, mifanaraka amin’ny ODD. Tsy azo ihodivirana izany amin’ny fanamby momba ny Fisandratana 2030 », hoy ny minisitry ny Toekarena, Raveloharison Herilanto.

« Tsy misy azo atao an-jorom-bala ny rehetra, koa adidinay ny mampita ny asa mahakasika ny toekarena sy ny sosialy, manomboka any ifotony, ny faritra, sy maharakotra ny firenena manontolo », hoy ny mpanolotsaina momba ny toekarena ao amin’ny Pnud, i El Hadji Fall. Betsaka ny azo hanafainganana ny asa fampandrosoana. Navoitran’ny Pnud ny filaminana eo amin’ny politika sy fanamafisana ny asan’ireo andrimpanjakana ; fahombiazan’ny governemanta ; ny fifandraisana eo amin’ny fiarahamonina ; ny fanajana ny lalàna, indrindra eo amin’ny fitsarana sy ny fitandroana fandriampahalemana.

Tsy nahitam-pahombiazana ireo tetikasa tany aloha

Nambaran’ny tao amin’ny Pnud fa efa betsaka ireo tetikasa nofaritana tany aloha eto Madagasikara, saingy tsy nahitam-pahombiazana, toy ny amin’ny firenena afrikanina maro. Koa andrasana indray izany izao ity ODD ity, aroson’ny Pnud ho an’izay mitondra sy mbola hitondra ny tany sy ny fanjakana, manana anjara andraikitra lehibe tandrify azy koa ny vahoaka.

Momba ny tontolon’ny toekarena, ohatra, ifantohana manokana ny fanatsarana ny famokarana rehetra, amina sehatra samihafa sy ny indostria ; fametrahana fotodrafitrasa, indrindra momba ny angovo, ny fitaterana, ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra sy ny fampitam-baovao. Tsy tongatonga ho azy anefa izany raha tsy hatevenina ny fahalalan’ny tsirairay ; mila tsara tantana ny fanjakana, hisian’ny fahombiazana eo amin’ny asam-panjakana sy ny fandraharahana. Nofaritana manokana koa ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny lafiny sosialy, toy ny fanabeazana sy ny fampianarana isaky ny ambaratonga ; ny fahasalamana ; fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy ; ny toeram-ponenana, sns…

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.