Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Niainga tamin’ny anarana natolotry ny Mapar : voatendry ho praiminisitra i Ntsay Christian

Niainga  tamin’ny anarana natolotry ny Mapar  : voatendry ho praiminisitra  i Ntsay Christian

 Notendrena ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta i Ntsay  Christian.   Nampahafantarin’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly  teny Iavoloha izany, nialohavan’ny  hafatrafatra avy  amin’ny filoham-pirenena.

 Tapitra, anio ny fe-potoana nomen’ny HCC ny tokony  hitsaharan’ny asan’ny praiminisitra sy ny governemanta notarihiny. Niroso tamin’ny fanendrena ny  ho mpitantana  vaovao, araka  ny voalazan’ny lalàmpanorenana, And  54 sy miainga koa  amin’ny  nambarany fa fifanarahana politika ny filoham-pirenena, omaly.  Voatendry  ho praiminisitra sy lehiben’ny governemanta i Ntsay Christian. Anisan’ireo anarana telo natolotry ny Mapar ny tenany, ankoatra ny lisitra faharoa, Rakotoarisoa Florent, sy ny jeneraly iray, efa nisotro ronono. Efa nanolotra lisitra telo hafa nialoha  azy ireo ny Mapar, saingy  notsipahin’ny  eny Iavoloha ny  herinandro teo. ”Aoka isika hanaraka ny fandaminana ary  hifantoka  amin’ny asa manomboka  izao. Hapetraka ny fitoniana eto amin’ny firenena satria mendrika  izany ny firenena”, hoy ny filoha Rajaonarimampianina nialoha ny nanonona ny didim-panjakana manendry ny  Praiminisitra Ntsay Christian.  Nambarany fa anisan’ny andraikitra hosahanin’ny governemanta  vaovao ny fampandehanana ny fifidianana.  Fa eo koa ny  fampandrosoana ny firenena.

Iza moa ny Praiminisitra Ntsay Christian  ?

 Teraka tamin’ny taona 1961 izy, manambady ary niteraka roa. Nahazo Bacc tany  Antsiranana, nanohy fianarana tamin’ny sampana toekarena sy fitantanna teny amin’ny oniversite Antananarivo, taona 1985. Nanohy fianarana tany Paris sy Marseille, Frantsa, nahazoany ny mari-pahaizana, dingana III amin’ny teknikam-pitantanana sy fitantanana orinasa.

Ny asa niandraiketany sy ny traikefa ananany : tao amin’ny orinasa Secren, Antsiranana, no tena nahalalana azy, izay niasany nandritra ny enin-taona. Ny niafarany tamin’izany, tale jeneralin’ny Secren. Efa tale jeneralin’ny Solitany malagasy (Solima) izy taty aoriana, taona 1993-97. Teo anelanelan’izay, mpandrindra nasionalin’ny tetikasa “Entreprendre à Madagascar“, niarahana tamin’ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa (BIT) sy ny Pnud.

Efa filohan’ny filankevi-pitantanan’ny orinasam-panjakana samihafa misahana ny fizahantany toy ny FMTH, CCM, tany Andilana Beach, izy.

Manampahaizana iraisam-pirenena…

Efa fakan-kevitra eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena izy ho an’ny Pnud, ny Vondrona eoropeanina, ny Banky iraisam-pirenena… Ary efa manampahaizana iraisam-pirenena manokana tamin’izany koa.

Efa minisitry ny Fizahantany izy, taona 2002-2003. Solontenan’ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa (OIT), teto Antananarivo, ho an’ny Nosy Kaomoro, i Madagasikara, i Maurice ary i Seychelles, izy nanomboka ny taona 2008.

Araka izany, andrasana ny ho fitsanganan’ny governemanta hotarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tahaka izany koa ny ho fiandrasana ny valin-kafatra eny amin’ny kianjan’ny 13 mey anio.

Synèse  R. Sy R.Nd  

Les commentaires sont fermées.