Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Milaza ny heviny ny tanora : praiminisitra manao ahoana ny andrasany

   Safidy Andraina

Hafa ihany aloha hoe lehilahy ny mitarika ny governemanta. Lehilahy hentitra, to teny ary mahasahy manitsy ny diso, mivantana rehefa miteny mba ho mora sy haingana ny fampitana ny hevitra. Mahavita manery ny ekipany handeha amin’ny fahamarinana sy ny fahamasinana. Manatanteraka ny fifidianana mangarahara, hentitra amin’ny fanaraha-maso ary hamoaka ny tena safidim-bahoaka.

 Edena Elia

Raha  amiko manokana aloha, olona matahotra an’Andriamanitra, olona manaiky hofehezin’ny lalàna, olona mandala ny fahamarinana, ary olona vonona  hanompo vahoaka fa tsy ho tompoin’ny vahoaka ny mendrika ho praiminisitra e !  Tsy   voatery ho lahy na vavy fa rehefa mahafeno ireo fepetra ireo dia mety amiko.

Sanda  Ny Avo

 

Tsotra ny ahy, olon’ny lalàna ary vonona ny hanara-dalàna,olona hentitra nefa tony, ilaina izany satria hanomana fifidianana madio sy eken’ny rehetra no iraka ampiandraiketana azy sady efa hita mibaribary ny vokatry ny tsy fanarahan-dalàna hatramin’izay. Mahafehy tsara ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ihany koa fa tsy toy ny amin’izao fotoana izao, toa lasa misy minisitra mivaona indraindray; manoatra no izy no filoha.

Nangonin’i Tatiana A

Les commentaires sont fermées.