Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hetsika eny amin’ ny kianjan’ny 13 mey : hivory ny depiote ho an’ny fanovana, anio

Hetsika  eny amin’ ny kianjan’ny 13 mey  : hivory ny depiote ho an’ny fanovana, anio

Mazava ny lahateny nifandimbiasana  tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, omaly manolona ny momba  ny fanendrena praiminisitra na ireo minisitra  handrafitra ny governemanta. Hivory  ary hiroso haka fanapahan-kevitra izy ireo anio. Mitohy ny tolona .

 Hatramin’ny  ora niafaran’ny hetsika tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, omaly, tsy mbola nahalala  ny  fanendrena ny Praiminisitra vaovao, i Ntsay Christian ireo vahoaka sy ny sasany amin’ny mpitarika. Nanitrikitrika izy ireo tamin’izany. “ Miantso antsika vahoaka  ho tonga maro rahampitso (anio).  Hivory izahay ary haka fanapahan-kevitra raha tsy mbola manendry  ny praiminisitra hatramin’ny  rahampitso  (anio) ny filoham-pirenena… Nisy hetahetan’ny vahoaka  teto ho amin’ny  fanovana sy  hiady amin’ny  kolikoly. Nisy fatiolona sy  ra nandrika. Antony nijoroantsika  eto avokoa  izany.  Manana ny ampy isika  raha praiminisitra sy minisitra izany… ”, hoy izy ireo.

Mafy ny tsindry samihafa any ambony any

 Nohitsin’izy ireo fa tena mafy ny  tsindry nahazo azy ireo tato anatin’ny andro vitsy. Anisan’ny nokianin’izy ireo koa ny  fianakaviambe iraisam-pirenena fa anisan’ny ao ambadika amin’izao raharaha izao. Naman’ny namono ny vahoaka isika raha olon-kafa tsy ho an’ny  fanovana ny eo,  araka ny lahateny ihany. “Tsy  resaka seza ny anay fa fanovana  ny hahatsara kokoa ny fiainan’ny vahoaka. Ny fomba  fanaovana politika  ary koa ny fiadiana amin’ny  kolikoly” , hoy ihany izy ireo.

Hitondra valin-kafatra ny depiote sy ny vahoakan’ny 13 mey

Nanterin’izy ireo koa fa nanaraka ny lalàna hatrany izy ireo ary tsy nandika na nihoa-pefy tamin’ny hetsika rehetra sy  ny dingana  natao. Samy  nanamafy izany  lahateny izany avokoa  ireo rehetra nandaha-teny. Anisan’izany ireo sendikà samihafa toy  ny mpampianatra, ny avy amin’ny Jirama  sy ny  hafa koa. Takin’izy ireo  fa tokony  ho olon’ny tolona na koa avy amin’ny depioten’ny fanovana ireo hisahana ny fitantanana  ny firenena.  Tsy  avy amin’ny  HVM mihitsy.

Araka izany, andrasana, anio,  ny  ho tohin’ny hetsika na koa ny  valin-kafatra avy eny an-kianja manoloana  ny  fanendrena ny  Praiminisitra Ntsay Christian.

Randria     

 

Les commentaires sont fermées.