Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana filoha : hamoaka daty ny Ceni, anio

Fifidianana filoha     : hamoaka daty ny Ceni, anio

Hivory ny Ceni, anio, handinika izay andro hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, ary hambara amin’ny fomba ofisialy izany. Fanazavan’ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, io, momba ny fanatanterahana ny fifidianana ato ho ato. Tapitra, anio, ny folo andro napetraky ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny amin’ny tokony hisian’ny fifanarahana politika, araka ny didy fanapahana navoakany, ny 25 mey lasa teo.

Raha ny didy navoakan’ny HCC, hatao mialoha ny fotoana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Midika izany fa tsy maintsy tanterahina mialoha ny 25 novambra ny fifidianana”, hoy izy. Tsy maintsy tontosaina ao anatin’ny vanim-potoana maintany ny fifidianana. Midika  izany fa tsy maintsy vitaina eo anelanelan’ny 31 mey sy ny 30 novambra ny fifidianana. Efa nilaza koa izahay Ceni fa raha hatao mialoha ny fotoana ny fifidianana, raisina manomboka eo amin’ny 29 aogositra”, hoy ihany izy.

Eo anelanelan’ny aogositra sy novambra ny fifidianana 

 Raha atambatra izay fanazavana izay, tsy maintsy tontosaina amin’ny 29 aogositra ka hatramin’ny 30 novambra ny latsa-bato indroa mihodina amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Azo atao ny manatanteraka ny fifidianana, manomboka ny 29 aogositra hatramin’ny 25 novambra.

R. Nd.

Une réponse à "Fifidianana filoha : hamoaka daty ny Ceni, anio"

  1. On'hil  05/06/2018 à 10:21

    Mahafinaritra izany, mba hampilamina ny firenena @zay zan eh!!!!!

Les commentaires sont fermées.