Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifaninanana tetikasa – Frantsa : niavaka ny mpianatra malagasy

Fifaninanana tetikasa – Frantsa  : niavaka ny mpianatra malagasy

Ahitana Malagasy roa, nandrafitra ekipa iray nandray anjara tamin’ny fifaninanana ao anatin’ny tetikasa, antsoina hoe “Les Eutrepreunariales”, ao amin’ny Ecole Univesitaire de Management (IGR-IAE), Rennes, any Frantsa. Anisan’izany Rambeloson Rado Manitra sy Randria Onintsoa Valérie, izay samy mandranto fianarana momba ny fandraharahana sy fintantanana tetikasa (Entrepreneuriat et management de projets innovants MAE) ao amin’ity oniversite ity. Ny ekipa misy azy ireo no nahazo ny loka “prix de l’innovation agroalimentaire”, ny 27 marsa teo. Nahazo ny naoty telo tsara indrindra tamin’ireo tetikasa miisa 51 nifaninana ity ekipa ity.

Nomen’izy dimy mianadahy anarana hoe “Fia Farm” ny lohatenin’ny tetikasany, miompana amin’ny “fitantanana fiompiana trondro ampy tsara eto Madagasikara”. Teny malagasy midika hoe trondro ny hoe “Fia” ary teny anglisy midika hoe “fiompiana” ny “Farm”. Niahy nanohana azy ireo Rtoa Karine Le Rudulier, mpampianatra sady mpitarika famelabelarana (maître de conférence).

Nambaran’izy dimy mianadahy fa nanomboka nanadihady ny lalam-pihariana fiompiana trondro izy ireo, ny volana jolay 2017. Voamarina fa lalampihariana manana ny lanjany sy ny hoaviny ity sehatra ity ato anatin’ny 20 taona ho avy. Hitondra ny anjara birikiny hampiroborobo azy ny fihariana, ny fiompiana trondro sady hampitombo ny famoronana orinasa. Izany no fanambin’izy ireo amin’izao tetikasa izao.

Manana fahaiza-manao amin’ny sehatra samihafa izy ireo, nivondrona ho ekipa iray tamin’ity fifaninanana ity, nandritra ny enim-bolana, nanomanana sy namolavolana ny tetikasany. “Nahitanay traikefa sy zava-baovao ihany koa ny fiarahanay”, hoy ihany izy ireo.

Njaka A.

2 réponses à "Fifaninanana tetikasa – Frantsa : niavaka ny mpianatra malagasy"

  1. Onintsoa Valérie RANDRIA  05/06/2018 à 10:49

    Marihina fa ny “Les Entrepreneuriales” dia programa maharitra dimy volana, novolavolain’ny vondrona PEPITE (Pôles Étudiants Pour l’Innovation, le Transfert et l’Entrepreneuriat) natokana ho an’ny mpianatra liana amin’ny fandraharahana. Ny tsirairay ao anatin’ny ekipa dia tsy maintsy avy amin’ny lalam-piofanana samihafa ary mpandraharaha efa matianina no mpanazatra azy ireo.

    Isaorana i Karine Le Rudulier (amin’ny sary : voalohany avy any an-kavanana) – filoha lefitry ny PEPITE Bretagne Loire, mpitarika famelabelaran-kevitra sady mampianatra ao amin’ny IGR-IAE – nanosika sy nanohana anay nandritra ny Les Entrepreneuriales.
    Isaorana ihany koa i Bruno Boulc’h Mascaret – mpitantana, mampiofana avy ao amin’ny Cadres en Mission – nanolo-tsaina ary nanaraka anay akaiky nandritra ny programa.
    Tsy adino ireo mpiara-mianatra taminay nitondra ny anjara birikiny lehibe tamin’ity tetikasa ity ka nahazoana izao vokatra izao : Camilo Combariza (Colombie), Taha Sbaiti (Maroc), Meliza Diaz (Colombie) (amin’ny sary : milahatra araka ny nanononana azy, avy an-kavia).

    Dingana voalohany ihany iny ary miroso amin’ny lalin-dalina kokoa ny tetikasa ankehitriny.

  2. FIFALIANAHARINTSOA Sitrakilaina  06/06/2018 à 11:42

    Félicitation,
    En espérant une suite fructueuse de votre projet.
    Madagascar vous attends.

Les commentaires sont fermées.