Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

BEPC sy bakalorea : mihemotra avokoa ny adina ara-panatanjahantena

BEPC sy bakalorea  : mihemotra avokoa ny adina ara-panatanjahantena

Hatezerana ny an’ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny omaly tetsy Itaosy rehefa tsy nisy mpampianatra tonga hampanao adina ara-panatanjahantena ireo tanora hiatrika ny fanadinana BEPC.

Nitaraina ireo ray aman-dreny fa tsy mba nisy ny fampilazana azy ireo mialoha na am-bava na an-taratasy nahafahan’ny mpianatra niomana.

Tonga maro vao maraina ireo mpianatra efa vonombonona ny hiatrika ny adina ara-panatanjahantena teny an-toerana.

Omaly ihany, nisy ny fanambarana nataon’ny sendikan’ny mpampianatra fanatanjahantena izay tarihin’ny filohany Razanajatovo Bruno fa “miato ny fanadinana ara-panatanjahantena BEPC sy bakalorea eto amin’ny faritra Analamanga mandra-pisian’ny fandaminana vaovao”.

Tapaka izany araka ny fihaonan’ireo mpampianatra fanatanjahantena notanterahina ny zoma lasa teo teto amin’ny faritra Analamanga.

Nanome toky anefa ireo sendikan’ny mpampianatra fanatanjahantena ireo fa tsy hisy ny taona fotsy amin’ny fanadinam-panjakana fa hahemotra amin’ny fotoana mampisy ny fitoniana ny adina ara-panatanjahantena. Rehefa mivaly ny fitakiana sy mipetraka ny tompon’andraikitra vaovao dia miverina amin’ny laoniny avokoa ny asan’ny fampianarana rehetra.

Tatiana A

 

Les commentaires sont fermées.