Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Asa fanaovan-gazety : nodimandry tampoka i Rojo N

Asa fanaovan-gazety  : nodimandry tampoka i Rojo N

Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry, omaly alatsinainy 4 jona, ny namana Randriantsarahoby Rojo Nantenaina, mpanoratra vaovao fanatanjahantena (Rojo N), ao amin’ny gazety Les Nouvelles, ao anaty vondrona Ultima-Media.

Tampoka ny nahafaty azy, satria tsy narary i Rojo. Mbola namita ny asany izy, ny alahady alina lasa teo.

Ny 1 marsa 2013 Itompokolahy no niditra niasa tao amin’ny Les Nouvelles, taorian’ny fahavitany  ny fianarany tao amin’ny Essva. Anisan’ny nahalalana azy ny fanoratana sy ny  fanaovana fanadihadiana, eo amin’ny taranja baolina kitra, ny rugby, ny tsipy kanetibe ary indrindra, ny hazakazaka am-bisikileta, efa nitetezany an’i Madagasikara, tamin’ny fanarahana ny “Tour de Madagascar”. Efa nahazo fankasitrahana tamin’izany i Rojo.  Marihina fa mpianatra tao amin’ny sekoly Essva Vakinankaratra izy.

Nitsahatra hatreo izany ny asan’i Rojo fa mipetraka ho tantara ho an’ny gazety sy ireo namany marobe kosa ireo diam-peniny. Namela manano tena sy kamboty iray Itompokolahy. Halevina, rahampitso alarobia, any amin’ny fasan-drazany, any Sandrandahy, i Rojo N. Izahay eto amin’ny Gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.