Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsiranana :karana mpivady maty voatsatoka antsy teo amin’ny tendany

Antsiranana  :karana mpivady maty voatsatoka antsy teo amin’ny tendany

 Novonoin’ny jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony ao Antsiranana, ny alahady alina teo ireo teratany karana mpivady. Tsatoka antsy teo amin’ny tendany ny hita teo amin’izy mivady…

 Hita teo akaikin’ny tranon’izy mivady ny fatin’izy ireo nihosin-dra. Nampifanakaikezin’ireo jiolahy koa izy mivady rehefa avy novonoina. Mbola hitan’ny olona nijanona teo ivelan’ny trano ao Place Kabary Antsiranana ny fiaran’izy mivady ny alina mandra-paharain’ny andro. Niantso ny sefom-pokontany avy hatrany ny olona nahita ilay fiara somary hafahafa ka ilay sefom-pokontany indray niantso polisy nanao fanadihadiana teny an-toerana. Araka ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny polisy, nahitana dian’antsy ny tendany. Tsy hita ihany koa ny nanjavonan’ny mpiambina ny tanànan’izy mivady ireto tamin’ny fotoana nanaovan’ny polisy fanadihadiana. Miantefa any amin’ilay mpiambina kosa ny ahiahin’ny rehetra hatreto noho izy nanjavona tampoka. Hitan’ny polisy tao an-tranon’izy ireo koa ny maritoa lehibe izay heverina fa isan’ireo fitaovana nampiasiany ireo jiolahy tamin’izao famonoana olona feno habibiana izao. Tsy voafaritra mazava kosa ny ora namonoana ireo niharam-boina. Tompona tranombarotra lehibe iray fivarotana kojakoja momba ny fiara izy mivady ireto. Betsaka rahateo ireo olona monina ao amin’ny Place Kabary ao Atsiranana no mahafantatra azy mivady ireto. Voalaza anefa fa tsy manana olana amin’ireo olona manodidina azy izy ireo, saingy nahavariana ny anton’ny fisian’izao vonoan’olona tampoka izao, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Misokatra, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity raharaha vonoan’olona ity, ka aorian’izay ny hamantarana ny marina rehetra.

Tsy afa-bela fa mitondra faisana hatrany ny teratany karana. Aiza ny fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana amin’ny fiarovana ny ain’ireny teratany vahiny eto amintsika ireny? Manginy fotsiny ny fakana an-keriny miseholany etsy sy eroa mahazo ireny teratany karana ireny.

Randria

Les commentaires sont fermées.