Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampatsakana Ankazobe : lehilahy iray nahatrarana basy PA sy bala

Ampatsakana Ankazobe  : lehilahy iray nahatrarana basy PA sy bala

Voasambotry ny zandary noho ny fitondrana sy ny fitazonana basy tsy ara-dalàna tao amin’ny fokontany Ampatsakana, kaominina ambonivohitr’Ankazobe, ny 24 mey 2018 hariva lasa teo, ny lehilahy iray niaraka tamin’ny basy PA iray vita gasy sy bala iray. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, noho ny fikaroham-baovao mba hahafahana misoroka ireo asan-jiolahy, nahomby ny fiaraha-miasa teo amin’ny mponina sy ny zandary satria nahazo loharanom-baovao ara-potoana ireo zandary avy ao amin’ny borigady sy kaompanian’Ankazobe tamin’io fotoana io. Nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo no nahatrarana lehilahy iray  mitazona basy tsy ara-dalàna. Niroso tamin’ny fisavana ity lehilahy ity avy hatrany ny zandary ka tratra tany aminy ny basy PA iray vita gasy 9mm niaraka tamin’ny bala iray. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Efa mpanao trafikana fitaovam-piadiana mihitsy  ity lehilahy ity, raha ny tatitra voaray momba azy. Natolotra ny fampanoavana avy hatrany izy taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary ka naiditra vonjimaika any am-ponja ny 27 mey 2018 lasa teo.

Nanamafy hatrany ny zandary fa tsy misy tsy vitan’ny firaisankina ka ny hitohizan’izany eo amin’ny mponina sy ny zandary ary manerana ny faritra no hirariana mba hisian’ny fandriampahalemana maharitra.

J.C

Les commentaires sont fermées.