Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina . niakatra fampanoavana ilay miaramila namaky magazay

Toamasina  . niakatra fampanoavana ilay miaramila namaky magazay

 Natolotra ny fampanoavana, omaly ao Toamasina ilay miaramila kilasay voalohany sy ireo namany tompon’antoka tamin’ny famakiana magazay fitobian’entana ao Ampilalaova nambenan’ilay miaramila. Niaiky  ny heloka vitany ilay miaramila…

 Na teo aza ny fanelanelanana nataon’ny lehibeny amin’ny hanafenana ity raharaha ity indrindra ny hanolorana mangingina ilay miaramila fa tsy aseho mpanao gazety, tsy nanaiky izany koa ny eo anivon’ny polisim-pirenena ao anatin’ireo vondrona efatra lehibe misahana ny filaminana anatiny ao Toamasina. Nitondra fanazavana momba ity raharaha ity ny polisy ary nilaza fa niaiky ny heloka vitany ilay miaramila. Nilaza kosa izy ireo fa mbola hisokatra kokoa izany famotorana izany amin’ireo trangana fanafihana mitam-piadiana nifanesy ao Toamasina tato ho ato. Nambaran’ny kaomisera Razafindahy Manitra Fleurys fa efa eo am-pametrahana paikady vaovao hiadiana amin’ny asan-jiolahy ny vondron’ny kaomisera efa-dahy ary mbola vonona hatrany handresy ny tsy fandriampahalemana eo an-drenivohitr’i Toamasina. Nambaran’ny polisy fa jiolahy efa nokarohin’ny mpitandro filaminana hatry ny ela i Florent, izay mpamerin-keloka. Iray amin’ireo jiolahy sivily niaraka tamin’ilay miaramila. Voasambotry ny polisy ny alin’ny alarobia teo koa tao Androranga i Ginoh, mpanendaka gagilahy sy efa mpamerin-keloka, saingy tsy voatazona ela ao Ambalatavoahangy izy.

Tsiahivina fa ny alin’ny talata hifoha alarobia 30 mey 2018 no naharay vaovao ny polisy avy ao amin’ny commissariat central Toamasina fa misy jiolahy mamaky magazay fitobian’entana elektronika ao Ampilalaova Toamasina. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo jiolahy efatra ka isan’izany ilay miaramila.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.