Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raikitra ny savorovoro tany Andramasina : nifampitadiavana hosamborina ny ben’ny Tanàna sy ny mpanao gazety

Raikitra ny savorovoro tany Andramasina  : nifampitadiavana hosamborina ny ben’ny Tanàna sy ny mpanao gazety

 Niharan’ny antsojay sy ny fampihorohoroana  ny ben’ny Tanànan’Alarobia Vatosola,  i Bina, manohana ny hetsiky ny  depiote ho an’ny fanovana tany  Andramasina,  omaly.  Tsy afa-bela  koa ny mpanao  gazetin’ny Kolo TV/FM. 

 Nitarika vahoaka nilanja sora-baventy mitaky  ny fialan’izao fitondrana izao ny  tenany tao Andramasina , tamin’ny fahatongavan’ny filoha Rajaonarimampianina tany an-toerana nizara kara-tany. Nosakanan’ny mpitandro filaminana anefa izany  ary noraofina  koa ny sora-baventy nentin’izy ireo. Mbola tafaporitsaka ihany anefa ireo vahoaka ary tafiditra teny amin’ny  kianja nanaovana ny lanonana  ka namoaka ny taratasy maneho ny fitakiana ny fialan’ny  filoham-pirenena.

Etsy andaniny, norahonan’ny mpitandro filaminana  ny mpanao  gazetin’ny Kolo TV/FM nanao ny asany naka sary izany  rehetra izany. Tsy nanaiky hatramin’ny farany  ny  hamafana ny sary  amin’ny “camera”  ny tenany ary tafaporitsaka nandositra avy eo.

Fitondrana jadona sy  tsy refesi-mandidy

Tahaka izany koa, nandositra niafina rehefa nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana ny ben’ny Tanàna, i Bina. “Nokarohin’ny zandary izahay ary mbola miafina aty amin’ny tokantranon’olona. Narovan’ny vahoakan’ Andramasina…  Mbola maneho ny jadona sy mampihorohoro ary tsy refesi-mandidy ny mpitondra…”, hoy izy.

Nangadihady sy nihanjahanja ny filoha Rajaonarimampianina sy ireo nanara-dia azy satria nialan’ny vahoaka, nandritra izany rehetra izany.

Araka izany, voatohintohina indray aloha izany  ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Eo koa ny tsy fahazakan’ny mpitondra fahalalahana maneho hevitra sy ny demokrasia  ka mahatonga ireo tompomenakely sasany mihoa-pefy sy manao antsojay ireo  tsy mitovy  hevitra aminy.

Randria 

Les commentaires sont fermées.