Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rabenarivo Sahondra : « nofidina ny mpikambana HCJ, miampy ny filohany »

Rabenarivo Sahondra  : « nofidina ny mpikambana HCJ, miampy ny filohany »

 “Efa ela ny Rafitra avon’ny fitsarana (HCJ) ny tokony hitsangana”, hoy Rtoa Rabenarivo

Sahondra, mpahay lalàna. Nohamafisiny fa anisan’ny azo torina eny amin’ny HCJ ny filoham-pirenena, ny praiminisitra sy ny minisitra, ny filohan’ny Antenimera roa tonta. Voafaritra ao anatin’ny andininy faha-131 sy ny faha-133 ny karazana heloka azo anenjehana azy ireo sy ny fomba hitoriana ireo mpitondra ambony ireo.

Nilaza koa Rtoa Rabenarivo Sahondra fa nofidina teny amin’ny rantsana hisolony tena avokoa ireo mpikambana ao amin’ny HCJ, miampy ny filohan’ny fitsarana an-tampony izay azon’ny filoham-pirenena vaovao soloina rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy.

Tsy mitsabaka sady tsy maintsy misintaka amin’ny raharaham-pirenena ny mpikambana ao amin’ny HCJ, raha sendra misy ny fifanoheran-tombontsoa (conflit d’intêret) mety mahakasika mivantana na ankolaka azy.

Njaka A.

 Ireo mpikambana ao amin’ny HCJ: Ny filohan’ny fitsarana tampony; avy amin’ny fitsarana tampony (2); ny avy amin’ny fitsarana ambony (2); solombavambahoaka (2); loholona (2); solontena avy amin’ny Filankevitra ambony ny demokrasia sy ny fanjakana tàn-dalàna (HCDE) (2).

Les commentaires sont fermées.