Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikaroham-bahaolana : mandrangaranga fitondrana miaramila ny Foloalindahy

Fikaroham-bahaolana  : mandrangaranga fitondrana miaramila  ny Foloalindahy

Nampitandrina. Nanao fanambarana indray ny eo anivon’ny  fianakaviamben’ny mpitandro filaminana, omaly  tetsy Ampahibe. Nivoitra tamin’izany ny tokony hitadiavan’ny mpanao politika vahaolana,  miainga amin’ny  fanapahana noraisin’ny  HCC farany  teo. Nilaza ny handray fepetra izy ireo  raha tsy misy  ny fifanarahana.  

Hijoro ny fianakaviamben’ny Foloalindahy  amin’ny maha aroriaka farany azy ireo ho  fanajana  sy fampiharana ny andin-dalàna voalazan’ny  lalàmpanorenana ka tsy hamela ny firenena ho latsaka an-katerana sy amin’ny fanaovana takalon’aina na ankivy ny tanindrazana” ,  hoy ny fanambarana novakin’ny minisitry ny Fiarovana, Rasolofonirina  Beni Xavier. Notsiahivin’izy ireo  fa  samy saropiaro amin’ity  tanindrazana ity ny olom-pirenena  tsirairay noho  ny  fitiavan-tanindrazana.  Eo koa ny tokony hanajana ny lalàmpanorenana sy ny tany tan-dalàna araka ny nambaran’izy ireo. Anisan’izany ny fanapahana noraisin’ny HCC ny 25  mey teo. Manampy izany ny ambaran’izy ireo fa  fanambarana roa sosona efa nataon’ny fianakaviamben’ny mpitandro filaminana.   “Hampirisihina ny rehetra hanaraka ny didin’ny HCC  ka hampandefitra ny hambompo sy hanandratra avo ny fitiavan-tanindrazana ary  ny fikatsahana ny tombontsoam-pirenena.  Tohizo ny fametrahana  ny fifanarahana politika efa natomboka, araka ny voalazan’ny didim-pitsarana”,  hoy ihany izy ireo. Mbola  nampitandrina koa anefa ny mpitandro filaminana fa ho loza mitatao ho antsika  ny fifandroritana politika  amin’ny famakiana ny andininy voalazan’ny didin’ny HCC ka  hahitan’ny fahavalom-pirenena tombontsoa. “Noho izany,  mampirisika ny tompon’antoka amin’izao  savorovoro mitady hampikatso ny fiainam-pirenena izao izahay,  hahatongavanareo amin’ny fitadiavana vahaolana mahomby manaraka ny soatoavina  sy ny kolontsaina malagasy mifanandrify amin’ny voalazan’ny savaranonandon’ny lalàmpanorenana…”, hoy izy ireo.

Tapitra anio ny fito andro  hanendrena praiminisitra… 

 Araka izany, ho tonga hatraiza izao fanambaran’ny fianakaviamben’ny mpitandro filaminana  izao ? Miantso azy ireo hiaro ny ara-dalàna, miainga amin’ny didin’ny HCC ny tokony hanendrena praiminisitra,  hatramin’ny anio, ny depiote  ho an’ny fanovana manana ny maro anisa, etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey.  Hanao ahoana ny ho fandraisan’ny Foloalindahy izany  satria voasoratra amin’ny fanapahan’ny etsy Ambohidahy koa  ny fe-potoana fito andro, tapitra anio ? Nahoana ny be galona no mitaky ny fitondrana miaramila izy ireo raha tokony anjaran’ny filoha avy hatrany ny mampihatra izany ? Homanina ny sain’ny olona mba hanomezan’ny tafika ny fahefana  indray ny filoha ?  Ahiana indray koa ny hiverenan’ny 17 marsa 2009, tahaka  ny tetsy Antanimena ?

Randria

Les commentaires sont fermées.