Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanelanelanan’ny CFM : I Deba irery namaly ny antso

Fanelanelanan’ny CFM  : I Deba irery namaly ny antso

 Mpikarama an’ady tsotra izao ny  CFM ? Tsy nahomby sady tsy naharesy  lahatra  ary efa nampoizina  ny fampihaonana nokarakarain’ity rafitra  mitonona  ho  mpampihavana ity.  Samy tsy tonga  teny amin’ny CCI Ivato hirosoana momba ny fifanarahana  politika  ny filoha  teo aloha, Ravalomanana sy ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina. Nandefa solontena izy ireo. Tsy nipoitra koa ny filoha Rajaonarimampianina  rehefa  tsy tonga ny sasany. Hany namaly ny fanasana ny amiraly Ratsiraka.  Antoko madinika, efa zatra mijapy lamasinina miandry kendry tohina ho amin’ny fizarana seza ny maro amin’ireo nanoina ny antson’ny CFM .

Na  izany  aza, hiroso amin’ny fifanarahana  momba ny fanendrena ny ho praiminisitra ny dinika hotarihin’izy ireo.  Mazava anefa ny efa nambaran’ny Mapar fa  tsy maintsy  hampiharina ny And. 54 milaza ny maro anisa eny amin’ny Antenimierampirenena. Aorian’izany vao miresaka fifanarahana politika.  Araka izany, andrasana ny ho tohiny, anio eny Ivato.

Synèse  R.

Les commentaires sont fermées.