Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampianarana : mpikarama an’ady ireo lazaina ho ray aman-dreny

Fampianarana  : mpikarama an’ady ireo lazaina ho ray aman-dreny

Nahavariana ny maro ary nahatezitra ny sasany kosa ny fahitana ireo andian-jatovo mpikarama an’ady nilaza ho ray aman-drenin’ny mpianatra tetsy amin’ny lycée Moderne Ampefiloha omaly.

Nilanja sora-baventy izy ireo nilaza fa tokony haverina ny volam-bahoaka hanaramana ireo mpampianatra mitokona. Tezitra ireo tanora mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra satria olon-kafa mihitsy no tazana nilanaja izany sora-baventy izany.

Efa novoizin’ny minisitra Rabary Paul tamin’ny haino aman-jery rahateo fa tsy misy ny vola hahafahana mampakatra ny karaman’ireo mpampianatra araka ny fitakian’izy ireo. Milaza ny handefa mpampianatra hafa izy ireo hanohy ny fampianarana ireo ankizy rehefa tsy hampianatra ireo mpampianatra.

Miteraka ahiahy amin’ireo ray aman-dreny ihany koa izany soson-kevitra miharo fandrahonana ataon’ny minisitra izany satria sao ho olona tsy manana traikefa amin’ny fampianarana akory no asaina mampianatra ny zanany ka hanimba ny ankizy izany.

Efa iaraha-mahalala fa tsy ampy ny mpampianatra ka olona avy aiza ireo lazaina fa hisolo ny toeran’ny mpampianatra ireo ?

Misavorovoro ny sain’ny mpanara-baovao mahakasika ny fampianarana satria mihenjan-droa ny tady eo amin’ireo mpampianatra mitokona sy ny minisitera tompon’andraikitra.

Randria

Les commentaires sont fermées.