Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

EDBM : mandray anjara hampiroboroboana ny fizahantany

EDBM  : mandray anjara hampiroboroboana ny fizahantany

Mandray anjara feno amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany eto amintsika ny Rafitra hampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara (EBDM). Tsapa fa anisan’ny sakana amin’ity sehatra ity ny lafiny fotodrafitrasa samihafa, toy ny fitaterana sy ny famatsiana, ohatra. Noho izany indrindra ny antony nampifandraisan’ny EDBM ireo mpisehatra voakasika, nandritra ny “Foara iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany” (ITM), omaly. Lohahevitra noraisina ny hoe “ny fikarohana zava-baovao amin’ny fifandraisana sy ny rohy amin’ny lafiny famatsiana”. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa hitondra fampandrosoana haingana andiany faharoa (Pic 2) tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ity tetikasa ity.

Nilaza ny talen’ny sampandraharaha ho an’ny mpampiasa vola ao amin’ny EDBM, Rajosefa Johary, fa mila hamafisina ny fifanatonana sy ny fifampidinihan’ireo mpisehatra isan-tsokajiny ao anatin’ny fizahantany hampitombo ny mpampiasa vola ao aminy.

Notsorin-dRtoa Andriambolanoro Verohanitra, miandraikitra ny fizahantany ao amin’ny EDBM, fa tanjona “ny hampiroboroboana ny fiaraha-miombon’antoka maharitra eo amin’ny samy mpandraharaha tsy miankina, manome tolotra sahaza azy avy.

Fifaninanana karakarain’ny Vondrona Axian

Nampahafantarina, nandritra ny famelabelarana omaly, ny rohim-pihariana iarahan’ny EDBM sy ny Pic 2 miara-miasa amin’ity lafiny fizahantany ity. Anisan’izany ny any Nosy Be, any Antsiranana, any Toliara, any Taolagnaro, any Antananarivo. Afaka nihaona mivantana koa ireo mpisehatra voakasika (B2B), nikaroka fiaraha-miombon’antoka.

Manampy ireo, mikarakara fifaninanana ny vondrona orinasa Axian, miara-miombon’antoka amin’ny EDBM. Nanazava Rtoa Rakotondrainibe Carole, tompon’andraikitry ny fampandrosoana ny fandraharahana ao amin’ny Vondrona Axian, fa ifantohana ny fampandrosoana sy ny fanohanana ny fandraharahana eto Madagasikara. Tohananay manokana ny lafiny fanomezana tolotra vaovao handraisan’ny mpisehatra rehetra anjara. Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny EDBM hisandratan’ny fandraharahana eto amintsika. Ahafahan’ireo mpandray anjara amin’ny fifaninanana hampandroso ny fizahantany ity fifaninanana ity.

Njaka Andriantefiarinesy 

Les commentaires sont fermées.