Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antoko RDS : “tsy voahaja ny lalàmpanorenana”

 Nitondra ny heviny manoloana  ny  raharaham-pirenena  ny eo anivon’ny  antoko  RDS,  tarihin-dRakoto  Fetison Andrianirina. Resadresaka… 

  Gazety Taratra (-) Anisan’ireo ny mankasitraka ny fanapahan’ny HCC  ianareo. Mikatso anefa ny raharaha. Tsy diso hevitra ve ianareo ?

RDS (+) Tsy voahaja ny lalàmpanorenana. Nihamaro ny kolikoly. Niteraka tsy firindran’ny fiainam-pirenena izany ka nampirongatra ny fahantrana sy ny tsy fandriampahalemana. Tompon’andraikitra avokoa ny rehetra. Mikorontana ny fiarahamonina. Inona  ny arahina eto raha tsy hajaina ny fanapahan’ny HCC?

(-) Samy diso avokoa izany ireo ambaratongam-pitondrana raha ny fahitanao azy ?

(+) Tsy nahavita ny asa nandrasana aminy ny filoha. Tsy fantatra mazava ny toeran’ireo antoko lehibe toy ny Mapar sy ny Tim ka nampikorontana ny fiasan’ny Antenimiera. Raha nijoro tamin’ny maha  mpampanaja lalàna azy ny HCC hatreny am-boalohany, toy ny fampiharana ny andininy faha-54 sy faha 72 ohatra, tsy niseho izao. Hatramin’izao, tsy tafantsangana ny mpanohitra ara-dalàna. Ny CFM, tsy hita ny vokatra azo tsapain-tanana na eo aza ny finiavany…

(-) Inona izany ny vahaolana, satria samy mizirizy ny mpifanandrina ?

(+) Hararaotina iny fanapahan’ny HCC iny hivoahantsika amin’izao olana izao. Dingana voalohany ihany anefa iny fa ilaina tadiavina ny fomba hanatanterahana azy.

(-) Amin’ny fomba ahoana  izany  ?

(+) Tsy misy heviny intsony ny fangatahna  fialàn’ny filoha taorian’iny didy iny. Mila mamarana ny fe-potoana hiasany amin’ny maha filoha azy izy. Hivoaka ho toy mpandresy anefa izy raha toa ka mitondra vahaolana iraisana sy eken’ny rehetra amin’izao olana goavana atrehintsika izao.

(-) Inona izany ny  vahaolana ?

(+) Ilaina vahana haingana ny olana. Miainga amin’ny hevitry ny didy navoakan’ny HCC iny, azony atao ny mampiantso dinika eo amin’ireo hery velona rehetra. Miantefa amin’ireo filoha nitondra teo aloha, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpisehatra politika, ny manampahaizana, ireo raiamandrenim-piangonana sy ara-drazana, ny tanora sy ny vehivavy  ny antso. Tsy tokony handà ny fanasana ny mpanohitra ireo raha asesiky ny fitiavana hitady vahaolana ho amin’ny tombotsoan’ny Malagasy.

Hijery ny fomba tsaratsara kokoa hanohizana ny asa fampandrosoana, ny fanomanana ny fifidianana mirindra, madio, tsy misy hosoka ary andraisan’ny rehetra manan-jo hanao izany ny dinika. Efa fanomanana ny fomba hanorenana Madagasikara vaovao izany.

Synèse  R.

Les commentaires sont fermées.