Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fisandohana ny maro anisa eny Tsimbazaza : haongan’ny depioten’ny fanovana ireo namadika palitao

Miditra amin’ny dingana manaraka ary hanilika  ireo mitonona  ho maro anisa.  “Efa vonona ny antontan-taratasinay Tim. Efa  vita koa ny an’ny Mapar. Hanatitra fitoriana hanonganana  ireo depiote namadika palitao eny amin’ny HCC isika rahampitso (anio). Mipetraha ianareo ary  ahorony ny entana rehefa tsy nitory teny Ambohidahy ka nahatonga iny didy iny nivoaka.  Tsy  ilana olona mpanao kolikoly eny amin’ny Antenimierampirenena”, hoy ny  depiote ho an’ny  fanovana teny amin’ny  kianjan’ny 13 mey,  omaly.  Momba ny fanoloran’izy ireo ny praiminisitra kosa, nambaran’ny mpandaha-teny  fa efa an-dalana  izany. Mandinika ambony ambany ary andro aman’alina ny ho lehiben’ny governemanta  izy ireo amin’izao fotoana izao. “Horaisintsika am-pifaliana ny praiminisitra sy ny minisitra  hapetraka  eo. Hiezaka hanao ny mety izahay ary tsy hivaona amin’ny lalana nofaritantsika amin’ny tolona natao”, hoy ihany izy ireo.

Hanao diabe hihazo ny  HCC indray  ny  depiote…

 Hanao diabe hihazo ny etsy amin’ny  HCC indray izany izao  ny vahoaka sy ny depiote ho an’ny  fanovana, anio. Nanterin’izy ireo fa voalazan’ny  lalàmpanorenana ny ahazoana manongana ireo depiote mpamadika palitao. Miisa  49 ny Mapar ary 21 ny Tim raha ny voka-pifidianana depiote ny  taona  2014. Tsy nisy depiote nirotsaka na voafidy amin’ny anaran’ny HVM na iray aza .

Ravana  ny Ceni sy ny sefo fokontany… 

Ankoatra  izany,  anisan’ny tsy levon’ny vavonin’ireo depiote 73  ny mbola hitantanan’ny Ceni sy ireo rantsa-mangaika  ny fifidianana. “Tsy maintsy ravana io  rafitra io.  Hatrany amin’ny sefo fokontany,  ny lehiben’ny  faritra sy ny distrika ary ireo talem-paritra samihafa, miala avokoa satria  efa  voaporofo ny hala-bato bevata  no homanin’izy ireo. Efa vonona any ny voka-pifidianana hampandresy ny HVM…”, hoy ny  depioten’ny fanovana.

Nitodika amin’ireo mpiasan’ny minisitera avy eo  ny mpandaha-teny ary niantso fahamailoana manoloana ny halatra sy ny fanodinkodinana rehetra any amin’izao fotoana izao.

Halatra any amin’ny minisitera any… 

Nohitsin’izy ireo fa tsy mbola vita ny tolona ka miandry ny toromarika  rehetra  vao miditra  miasa sy mamonjy birao. “Henonay fa efa lany aty amin’ny volana jona ny volan’ny soliky ny minisitera  sasany raha mbola amin’ny faran’ny  taona  vao tapitra izany. Misy manoratra ny fiaran’ny minisitera ho azy koa ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy.  Efa mitaona solosaina  ny sasany ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana…  Henjehintsika  hatramin’ny  farany ireny ary tsy maintsy ho hita ny marina”, hoy ihany izy ireo.

Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.