Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanafihan-jiolahy antoandro be : mpivarotra matin’ny tifitra variraraka

Fanafihan-jiolahy antoandro be  : mpivarotra matin’ny tifitra variraraka

 Fanafihana mitam-piadiana antoandro be nanahary. Izany no nitranga tao Ankirihiry, Toamasina, omaly. Raim-pianakaviana iray mpivarotra no lavo, matin’ny tifitra variraraka nataon’ireo jiolahy. Voaroba tamin’izany ny volabe an-tapitrisany saika hividianana entana.

 Raim-pianakaviana 35 taona,  mpivarotra any Toamasina II,  antsoina hoe i Tsilasana Rolland Evariste notafihin’ny jiolahy teo anoloan’ny tranombarotra iray ao Ankirihiry, omaly  tolakandro. Araka ny fampitam-baovao, nikasa hividy entana tao amin’ilay tranombarotra izy kanjo efa nandrasan’ireo jiolahy teo. Nambaran’ireo nanatri-maso, nandeha posy izy niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany iray. Nisy andian-jiolahy nandeha moto scooter nisintona ny sakaosy nisy vola 4 tapitrisa Ar teny aminy teo am-pialana ny posy. Tsy nanaiky anefa ny tenany fa nanohitra, kanjo norarafan’ireo jiolahy ny tifitra variraraka ka nitsambotsotra nianjera. Najifa ny vola saika hividianana entana. Nitsoaka ireo jiolahy. Tsy tana teny an-dalana ho any amin’ny hopitaly kosa  ny  ain’ilay voatifitra.

Nialoha izany, nisehoana fanafihana koa teo ivelan’ny banky iray ao Ampasimazava Toamasina, omaly maraina. Voaoroba teo am-pivoahana ny  banky mpandraharaha  iray naka vola. Efa nandrasan’ireo jiolahy nandeha moto Scooter teo ivelany izy  ny nivoahan’ilay ka nojokoin’izy ireo moramora. Andian-jiolahy nandeha moto ireo nandroba, saingy tsy fantatra mazava kosa ny vola voaroba  tamin’ilay mpandraharaha. Tsy nety niteny rahateo ilay mpandraharaha raha nanontaniana. Tsy nisy basy nipoaka fa tao anatin’ny minitra vitsy  avokoa izany.

Misesisesy ny fanafihana…

Notafihin’ny jiolahy koa ny raim-pianakaviana iray filohan’ny fikambanan’ny mpiompy akoho manatody lava sy fakana nofo tao amin’ny fokontany Tanambao, ny asabotsy teo. Lasa  ny vola tao an-tranony, saingy tsy mbola voafaritra mazava ny totalin’ny vola.

Fotoana fohy taorian’ilay fanafihana nitranga omaly, tonga ny polisin’ny Fip, saingy efa tafaporitsaka ireo olon-dratsy. Tao anatin’ny telo andro izao mirongatra ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ao Toamasina. Raha ny fanadihadiana momba ity fanafihana namoizana ain’olona ity, balana mpitandro filaminana ny nampiasain’ireo olon-dratsy. Misy tsikombakomba eo amin’ireo jiolahy sy ny mpitandro filaminana ?

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.