Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Telo volana voalohany 2018 : 594,32 miliara Ar ny hetra niditra

Telo volana voalohany 2018  : 594,32 miliara Ar ny hetra niditra

594,32 miliara Ar ny hetra niditra nandritra ny telo volana voalohany, taona 2018, raha noheverina ho 579,54 miliara Ar. Tratra izany ny tanjona ary tafahoatra, raha io tarehimarika avy amin’ny foiben’ny hetra io.  Eo aloha ny hetra avy amin’ny vola miditra amin’ny zava-pisotro misy alikaola, sigara sy paraky ; solika ; varotra ; indostria ; ary fanatanterahana asa isan-karazany. Tafakatra 86 % ny hetra avy amin’ny vola miditra amin’ireo rehetra ireo.  Manampy izany ny avy amin’ny harena an-kibon’ny tany, fitaterana, jono sy fiompiana, fizahantany ary asa vaventy. Hita ho somary nihena kely kosa ny avy amin’ny banky.

Fitomboan’ny isan’ny mpiasa 8,05 % no nanamarihan’ny foiben’ny hetra ny fitomboan’ny hetra azo avy amin’ny karaman’ny mpiasa, niakatra ho 10,71 %. Voasoritra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2018 ny fepetra noraisina ho fanatsarana izany fampidiran-ketra izany.  20 % ny azo, ny telo volana voalohany, noho izay fepetra noraisina izay. Amin’ireo sampandraharahan’ny hetra 101, nitombo 26,20 % ny vola azon’ny fanjakana raha ampitahana ny telo volana voalohany ny taona 2017.

Nomarihin’ny foiben’ny hetra fa tsy nisy fiantraikany loatra ny fandalovan’ny rivodoza tamin’iny fotoana iny, any amin’ny faritra Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Matsiatra Ambony, ary Sava. Andrasana kosa ny tambin’izany eo amin’ny asam-panjakana, hahitana taratra ny fampandrosoana marina amina sehatra maro, indrindra eo amin’ny toekarena sy ny sosialy.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.