Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taratry ny tsy fahaiza-mitantana : resy teny amin’ny fitsarana indray ny fanjakana

Voaporofo  ny tsy fahaiza-mitantana  sy ny kitoatoa. Naaton’ny teo anivon’ny filankevim-panjakana ny fanapahana  noraisin’ny governemanta nandrara ny  hetsika famoriam-bahoaka any amin ‘ny faritany,  noraisina ny 8 mey teo. Nivoaka , omaly izany didim-pitsarana izany  ka  naharesy indray ny  fanjakana. Tsy  vao  voalohany ny  tranga tahaka izao.  Efa niseho izany tamin’ny fanesorana amin’ny toerany ny Tonia ambony mpampanoa lalàna  (PGSC), Ranary Rakotonavalona Robertson, ny  volana marsa  teo. Naverin’ny filankevim-panjakana  ary  heverina ho toy  ny tsy misy ny nanesorana amin’ny toerany io Tonia ambony mpampanoa lalàna io. Fanapahan-kevitra  noraisina  teo amin’ny filankevitry ny minisitra  notarihin’ny filoham-pirenena mihitsy ny nanala azy io amin’ny toerany. Tsy nipetra-potsiny manoloana izany tsy fahaizana lalàna sy ny pitsopitsony izany anefa ny mpisolovava  ka  nitory teny amin’ny filankevim-panjakana. Notakin’izy ireo ny hanafoanana  izany didy manala  an-dRanary Rakotonavalona Robertson amin’ny toerany izany. Fa eo koa ny nitakina ny hanafoanana mihitsy ilay didy fampiharana. Neken’ny filankevim-panjakana izany  ary izao nandresy izao  izy ireo.

Tsiahivina  fa efa  niseho izany tamin’ny  taon-dasa manoloana ireo fanakanana ny hetsiky ny  Tim  na  teto an-drenivohitra izany na  tany Toamasina. Mitafy henatra tanteraka ny fitondrana. Tsy mahay sy  tsy mahalala  ny tokony ataony.

Synèse R.   

 

Les commentaires sont fermées.