Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Misy mampiasa ny anarana : tsy manao politika ny FTAR

Misy mampiasa ny anarana  : tsy manao politika ny FTAR

Manoloana ny fampiasan’ny mpitondra taxi manohana ny hetsika eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny anaran’ny FTAR, nanambara ny filohan’ny fikambanana, Raharinirina Clémence, omaly teny Ankazomanga, fa tsy manao politika velively ny antom-pisian’ny fikambanan’ny mpitondra taxi eto Antananarivo. Afaka manohana ny hetsika fanehoan-kevitra ny mpitondra taxi fa tsy tokony hampiasa ny FTAR fa mitondra ny anarany manokana na koa ny fikambanana misy azy toy ny Astazon (miasa eny amin’ny fasan’ny karana). Hiaro ny tombontsoan’ny mpitondra taxi sy ny fandraharahana ataony ny andraikitry ny FTAR fa tsy miditra amin’ny raharaha politika. Nanamafy ity mpitantana ny fikambanana ity fa mitohy ny fitakiana momba ny tsy fanekena ny Omavet sy ny « lanterne » lehibe satria tsy mbola nifarana izany. Na iza na iza mpitantana ny tanàna eto Antananarivo, raha mbola tsy afa-po ny mpitondra taxi, mitohy hatrany ny fitakiana. Tsy hiaro ny olona manimba ny fandraharahana ataony ny mpitondra taxi raha ny lojika. Mijery ny zava-misy ny mpikambana amin’izao fotoana izao ary mahatsikaritra fa manararaotra mandresy lahatra an-kolaka ny mpitondra taxi hitondra ny « lanterne » be ny mpiandraikitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra hatramin’ny niandohan’ny fitakiana tena amin’ny kianjan’ny 13 mey.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.