Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mgr Tsarahazana Désiré : “tsy nampoiziko ny fanendrena ahy ho kardinaly”

Mgr Tsarahazana Désiré  : “tsy nampoiziko ny fanendrena ahy ho kardinaly”

Amin’izao fanendrena ahy ho kardinaly izao, tena tsy nampoiziko, tsy nampoiziko, tsy nampoiziko tokoa. Nefa raha izany no sitrapon’Andriamanitra, ekena am-pinoana”, hoy ny Mgr Tsarahazana Désiré, tany Toamasina, omaly.

Angatahiny amin’ny kristianina ny hivavaka be ho azy. Satria adidy mavesatra no hiantsorohany amin’izany. Sambasamba eo amin’ny fiainako sy eo amin’ny fiainantsika ny hisian’ny kardinaly avy aty amin’ny faritany”, hoy izy.

Koa mangata-bavaka izy, ary hivavaka koa ho an’ny kristianina. Amin’ny 29 jona ny fametrahana azy ho kardinaly. Ho hita eo ny vaovao manaraka. Midika fa manana ny maha izy azy ny firenena, matoa misy ny fanendrena kardinaly”, hoy izy.

Vao mainka ihany koa mankahery ny vahoaka ny zava-mitranga, afa-mitondra izany mivantana any amin’ny papa. Voninahitra ho antsika Malagasy sy ho an’i Madagasikara izao, fa adidy lehibe ihany koa no miandry azy. Mbola mangata-bavaka mandrakariva”, hoy ihany izy.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.