Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – “Cosafa Cup 2018” : mpilalao 20 avy eto Madagasikara avokoa ny ao amin’ny Barea

Kitra – “Cosafa Cup 2018”  : mpilalao 20 avy eto Madagasikara avokoa ny ao amin’ny Barea

 Tsy misy mpilalao mpila ravinahitra fa avy eto an-toerana avokoa ny mandrafitra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny “Cosafa Cup 2018”, hotanterahina atsy Afrika Atsimo, eo amin’ny taranja baolina kitra.

 Mpilalao 20 mirahalahy no notazonin’i Francklin sy i Mamisoa, mpanazatra ary handrafitra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny “Cosafa Cup 2018”. Fihaonana, hotanterahina any Limpopo, Afrika Atsimo, ny 27 mey ka hatramin’ny 9 jona ho avy izao. Tsy misy mpila ravinahitra fa avy eto an-toerana avokoa izy ireo.

Avy amin’ny klioba efatra ihany ny nakana azy ireo : ny Cnaps Sport sy ny Jet Mada, avy amin’ny ligin’Itasy. Ny Adema sy ny Elgeco Plus ho an’Analamanga ary ny Ajesaia avy amin’ny ligin’ny Bongolava. Ny Fosa Jr kosa ho an’i Boeny.

Ny nampametra-panontaniana ny mpijery ny amin’ny firafitry ny Barea de Madagascar ny mpiandry tsatoby, izay tsy misy afa-tsy anankiroa. Raha lavabe toy izao mantsy ny fihaonana, tokony ho telo no hoentina. Anton’izany, raha toa ka mahazo karatra mena ny tompon-toerana, mety tsy hisy mpiandry tsatoby fiandry ny Barea. Toa izany koa raha toa ka sendra marary, tsy maintsy hiady irery izay hisolo azy eo.

Hanainga ny alakamisy ho avy izao ny delegasiona malagasy. Tsiahivina fa ao anaty sokajy “A” ny Barea, miaraka amin’i Mozambika, i Kaomoro ary i Seychelles.

Mialoha ny niaingany, niatrika lalao fitsapana tamin’ny ekipa voafantin’Analamanga ny Barea ka nisaraka ady sahala, samy tsy nisy nitoko.

Tompondaka

Ireo mpilalao mandrafitra ny Barea :

-Mpiandry tsatoby : Leda (Cnaps Sport) ; Joma (Jet Mada)

-Vodilaharana : Toby (Cnaps Sport) ; Patrick (Ajesaia) ; Mario (Fosa Jr) ; Ronald (Cnaps Sport) ; Théodin (Fosa Jr) ; Johnny (Elgeco Plus) ; Ando (Cnaps Sport)

-Irakiraka : Dax (Fosa Jr) ; Tsiry (Jet Mada) ; Baggio (Fosa Jr) ; Mick (Cnaps Sport) ; Jean-Claude (Fosa Jr) ; Lalaina (Cnaps Sport) ; Bora (Cnaps Sport) ; Tsito (Jet Mada)

-Lohalaharana : Rojo (Ajesaia) ; Angelo (Adema) ; Carlos (Jet Mada)

Les commentaires sont fermées.